• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Teknikam-pambolena Pfumvudza : Efa vonona hanofana ny ministeran’ny Fampianarana Teknika

21/01/2025 11:04 © Moov.Mg

Tafiditra anatin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana malagasy, momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fampiroboroboana ny teknikam-pambolena Pfumvudza eto amintsika. Efa vonona ny handray ireo mpiofana ho mpamboly, hanaraka ity teknika norantovina tany Zimbaboe ity, ny rafi-piofanana manerana ny Nosy, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fiofanana arak’Asa.

Mpampiofana miisa 30 no nalefan’ny Fanjakana malagasy nandranto fahaizana tany Zimbaboe, tamin’ny volana janoary 2023, mba hahafehezan’izy ireo ny teknikam-pambolena Pfumvudza, sy hahafahany mampita izany indray avy eo. Raha tsiahivina, ity teknika ity dia fomba fambolena maharitra sy manaja ny tontolo iainana. Tanjona ny hamokatra faran’izay betsaka, anaty velaran-tany kely, no sady mikolo ny nofon-tany. Sady tsy andaniana volabe amin’ny vidina masomboly ity fomba famokarana ity no tsy betsaka ihany koa ny mason-karena amin’ny karama, satria tsy ilàna olona be dia be ny fikarakarana ny voly.

Fahavitan-tena ara-tsakafo

Tantsaha miisa 5 tapitrisa manerana an'i Afrika no fantatra fa efa mampiasa ny teknikam-pambolena Pfumvudza. Ho an’i Madagasikara kosa, araka ny vinan’ny filoha Andry Rajoelina, dia mpamboly miisa iray tapitrisa no homena fiofanana, mba hahafahan’izy ireo mampihatra araka ny tokony ho izy ity fomba fambolena efa nahitam-bokatra tany Zimbaboe ity. Mba ho firosoana amin’ny dingana mankany amin’izay fahavitan-tena ara-tsakafo izay, dia nisy, omaly 20 janoary 2025, teny Ankorondrano, ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fiofanana arak’Asa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, tamin’ireo minisitra hafa voakasiky ny fandaharanasa, toa ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Hajarison François Sergio, sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo, Tahian’Ny Avo Razanamahefa. Nanatrika ny fihaonana ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka, toy ny avy eo anivon’ny Programme Pfumvudza & Crown Madagasikara (PCC), ny Fondation For Farming Zimbabwe ary ny Bridge to Rwanda.

Tanjona goavana hotratrarina ny fahavitan-tena ara-tsakafo ao anatin'ny 4 taona, ka mba hahatongavana amin’izany dia kendrena ny hahamaro ireo ho voaofana amin’ity teknikam-pambolena Pfumvudza ity, hoy ny minisitra Rasoloarisoa Marie Marcelline.

Lire la suite

Articles Similaires