Fiatrehana ny vidim-bary : Hasiam-panarenana sy fanamboarana avokoa ny fotodrafitrasa momba ny voly vary ao Ambatondrazaka
Ho fanatsarana ny famokaram-bary sy fiatrehana ny vidim-bary miakatra dia nanatanteraka iraka any amin’ny sompitry Madagasikara ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana. Tao anatin’izany dia tapaka fa hisy ny fanarenana fotodrafitrasa momba ny voly vary sy ny fanodinana indray ireo hafa na fanorenana.
Napetraka ny tanin-ketsa iombonana
Ankoatra ireo fivoriana isan-karazany dia nidina ifotony nijery ny lemaka Vallée Marianne sy PC 15 ihany koa ny iraka. Anisan’ny notsidihina tamin’izany ireo "travaux d’urgence" vatsian’ny Tetikasa Riz Plus vola. Mandroso tsara ny asa fanarenana ireo fotodrafitrasa momba ny famatsiana rano ka ho vita tanteraka ato anatin’ny tapa-bolana manaraka izany. Hita nandritra ny fitsidihana fa tena maina ny PC 15 ary efa ambany ny hahavon’ny rano ao amin’ny barrage Bevava. Mbola vitsy ireo tantsaha nahavita namafy sy nanetsa. Nangataka fanampiana avy amin’ny Fanjakana ny tantsaha mba hanavotana ny volin’izy ireo. Teo anatrehan’izany ary dia napetraky ny Minisitera ny "tanin-ketsa iombonana ». Izy ity izay atao hanomezana ketsa maimaimpoana hanavotana ireo tantsaha marefo, indrindra ireo tena niharam-pahavoazana noho ny hain-tany. Teknika ampiharina ao amin'ny PC 23 iarahana amin'ny PAPRIZ ary ny masomboly Fy vary 32, Miary no hampiharina amin’izany.
Fotodrafitrasa havaozina sy hatsangana
Taorian’ny fifampidinihana ihany koa dia tapaka fa haverina indray ny fanodinana ny ozinina famokarana zezika ao Ambaiboho. Handray anjara lehibe amin’ny fampihenana ny vidin’ny zezika ka hampitombo ny famokarana ity fanapahan-kevitra ity. Ankoatra izay dia notsidihina ihany koa ny toerana hametrahana ny laboratoara vaovao mahakasika ny fampitomboana ny masomboly izay hatomboka amin’ity taona 2025 ity ao Anosiboribory. Farany dia nisy ihany koa ny dinika hampivoarana sy hiarovana ny toeram-pikarohana CALA na ny "Complexe Agronomique du Lac Alaotra". Nanamafy ny Minisitera fa tafiditra ao anatin’ny ezaka mitohy izay ataony sy ny mpiara-miombon’antoka aminy hanatsarana ny sehatry ny famokarana vary, antoky ny fahaleovantena ara-tsakafo ho an’i Madagasikara ireo asa ireo.