• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pearl
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fitandremana raha mampiasa "Lampe à Petrole" (Jiro Pétrole)

19/01/2025 20:40 © Moov

Na efa mivoatra tanteraka aza isika izao, mbola maro ireo mampiasa "Jiro Pétrole", indrindra ireo any ambanivohitra. Misy mihitsy aza moa ireo mampiasa fatana Pétrole andrahoana sakafo. Tsara nefa raha mitandrina tsara rehefa mampiasa ireny fitaovana mandeha amin'ny solika fandrehitra ireny.

Tena fampiasa amin'ny fiainana andavan'andro tokoa ny Solika fandrehatra. Azo lazaina fa mora vidy izy no tsy sarotra tadiavina. Tsy midika fahantrana na fandavana ny fivoarana ny fampiasana ny fitaovana mandeha aminy, saingy ilàna fitandremana tokoa.

Tandremana ny firehetan'ny trano

Tsy fitandremana kely monja dia mety hamoizana aina sy fananana. Mety hiitatra amin'ny manodidina aza ny afo ka hamotika ny hafa ihany koa. Ho fisorohana ny famaizana, izay efitrano misy olona ihany no andrehetana jiro pétrole. Tsy tsara ny mampiasa io jiro io mandra-maraina satria mety hitongilana tampoka na hahazo zavatra mora mirehitra. Vonoina ny jiro rehefa hatory na hivoaka ny trano.
Raha tena mila jiro mandra-maraina noho ny antony samihafa, azo atao tsara ny mitady jiro tsy misy lelafo mifanaraka amin'izay fahefa-mividy. Efa maro ohatra ny mivarotra "lampe" mandeha amin'ny "panneau solaire" kely, ka azo idirana tsara na kelikely aza ny vola eo an-tanana.

Tandremana ny fifindran'ny fofona amin'ny sakafo

Raha mampiasa jiro pétrole ao an-dakozia, tsara raha atao lavitra ny faritra misy ny fatana, ny vilany, ny fanasam-bilia sy ny fitoerana sakafo izany. Entanina isika mba any ivelany no hameno pétrole ny famarana fasiana izany, ary hisasa tanana tsara amin'ny savony vao miditra ny trano indray. Mazava ho azy, tsy tehirizina miaraka amin'ny sakafo andrahoana ny tavoahangy misy pétrole.
Raha mampiasa fatana pétrole andrahoana sakafo, tsara raha tsy sokafana firy ny vilany. Kendrena mba tsy ho raraka ivelan'ny fatana ny solika fandrehitra mba tsy hampifindra ny fofona amin'ny sakafo.
Tsara raha misy miambina ny lakozia rehefa mahandro sakafo. Aleo vonoina ny fatana raha toa ka hivoaka ny trano, hiantsena ohatra, na dia 5 minitra monja aza.

Lire la suite

Articles Similaires