Ireo fikafika natoraly manampy amin’ny fanalana ny votsy
Manelingelina maso sady manorisory tokoa ny fisian’ny votsy. Mety hisy azy avokoa eo amin’ny faritra samihafa amin’ny vatana fa eo amin’ny tanana, ny tongotra sy ny tarehy no tena misy azy matetika. Ireto manaraka ireto ary misy ady gasy vitsivitsy manampy amin’ny fanesorana ny votsy.
Ny tongolo gasy
Ny tongolo gasy dia akora natoraly manana fiasa « antibiotique » natoraly, « antibactérien », « antiviral » ary « antimycosique ». Satria moa ny votsy dia avy amin’ny viriosy iray dia mandaitra amin’ny fiadiana amin’izy io arak’izany ny tongolo gasy. Tsotro ny atao : totoana ny tongolo gasy dia avy eo ahosotra eo amin’ilay votsy. Avy eo fonosina « sparadrap ». Avela hilona ao mandritra ny alina. Atao mandritra ny 2 hatramin’ny 4 andro ity torohevitra ity hampiala ny votsy.
Ny tongolo (oignon)
Ny tongolo ihany koa dia « antiviral », « antibactérien » ary « antiseptique » natoraly tena mahery. Azo ampiasaina hiadiana amin’ny votsy ihany koa izy io. Raha ampiasa azy dia silahana roa ny tongolo. Rarahana sira vaingany eo amin’ilay faritra silaka amin’ireo tongolo. Avela hipetraka eo mandritra ny ora vitsivitsy mba hiteraka ranonoy. Io ranon’ny tongolo io no ahosotra eo amin’ilay votsy. Atao indroa isan’andro mandrapialan’ilay votsy.
Ny voasary makirana sy vinaigitra fotsy
Akora roa miasa amin’ny fanesorana ny votsy ihany koa ny voasary makirana sy ny vinaigitra fotsy. Tsotra ny fomba fampiasana azy ireo. Voasana ny voasary makirana ka ny hodiny iny no halona anaty vinaigitra fotsy mandritra ny telo andro. Rehefa vita izay dia apetaka eo amin’ilay votsy ilay hoditra voasary makirana nalona teo. Fonosina « sparadrap » avy eo entina matory mandritra ny alina.