Fahasalamana : Mirongatra indray ny gripa mahery
Fotoan’ny gripa amin’izao fotoana izao, hoy ny mpitsabo. Araka izany, dia nanamafy izy ireo fa misy karazana gripa mahery indray amin’izao fotoana izao. Mety ahazo ny olona rehetra izy io, ary mitombo ihany koa ny isan’ny olona manatona mpitsabo noho izany.
Mila fanaraha-maso sy fitsaboana haingana
Raha ny fanazavana dia saika misy foana ny gripa isan-taona saingy samihafa ny fisehony ka izany indrindra no mahatratra antsika amin’izao fotoana izao io. « Voan’ny sery, voan’ny tazo, mikohaka, marary tenda, seposepotra ary mety ho vizaka be mihitsy. Toy izany no fisehon’ity aretina ity », hoy ny mpitsabo izay nanontaniana. Raha ny hita eny anivon’ny fiaraha-monina ihany koa dia saika toy izany avokoa ny mahazo ireo izay marary. Mety mifindra amin’ny iray trano izy io ary vetivety izany fifindrany izany. Manoloana izany indrindra dia ilaina fanaraha-maso sy fitsaboana haingana ity aretina ity mba hisorohana ny fahafatesana. Nanamarika ny mpitsabo sasany fa tsimok’aretina miparitaka noho ny hetsiky ny zanak’olombelona no tena mahatonga ireto gripa miseho matetika ireto. Amin’ny ankapobeny dia mety hihatra amin’ny olona rehetra izy io saingy mora kokoa ny hahazon’ny olona marefo azy.
Mila arahi-maso ihany koa ny aretina ao Chine
Ankoatra ity gripa mahery ity dia nanamarika ihany koa ireo mpitsabo fa mila arahi-maso akaiky ihany koa ny aretina miparitaka ao Chine amin’izao. « Tsy fantatra na misy hifandraisany ireo roa ireo saingy tokony samy harahi-maso hatrany. Raha ity eto Madagasikara ity dia maharitra 15 andro hatramin’ny iray volana ny fitsaboana ». Izany no hamaritana azy ity ho gripa mahery. Kanefa, ankoatra ny fanatonana mpitsabo dia vahaolana tokony hatao ny fampitomboana ny hery fiarovana. Eo ihany koa ny fampiasana ireo akora natoraly efa mahazatra, hoy hatrany ity mpitsabo ity. Ao anatin’izany ny ravintsara, kininim-potsy, niaouli, « baume fosa » ary ny vaovao izao dia ny « baume de caïman ». Azo atao ny mievoka, manosotra amin’ny orona sy tratra ary ny lamosina.