• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

CENI Madagasikara : Mifantoka amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy

15/01/2025 12:27 © Moov

Taorian’ny fanambarana vonjimaika ny valim-pifidianana kaominaly, ny volana desambra lasa teo dia nilaza ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) fa mifantoka tanteraka amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (RALE) indray izy ireo amin’izao fotoana izao.

Nanova paikady

Efa nanomboka ny voalohan’ny volana desambra ity RALE ity ary tsy hifarana raha tsy ny 15 febroary ho avy izao. Fotoana lehibe hidiran’ireo vao feno 18 taona anatin’ny lisitra izy io ary natao ho an’ireo nifindra monina ihany koa. Eo anilan’izany ihany koa ny fanesorana ireo efa nodimandry ao anatin’izany lisitra izany. Raha tsiahivina dia efa fanomanana ny fifidianana manaraka indray ity asa ity. Tamin’ity andiany ity dia niova ny paikadin’ny CENI. « Manatona ny fokontaniny avy ireo rehetra tsy anatin’ny lisitra hialana amin’ny olana fa tsy hitety isaky ny tokan-trano intsony ny CENI. Efa eny anivon’ny fokontany avokoa rahateo ny fitaovana ilaina amin’izany ka dieny izao dia efa afaka manatona », hoy ny Tale Kabinetran’ny CENI, Fanahimanana Tiaray. Manentana araka izany ny CENI, satria tsy manana afatsy iray volana sisa ny olom-pirenena.

Hialana amin'ny fangatahana didim-pitsarana manokana

Raha tsiahivina dia niisa maherin’ny 60 000 ny didim-pitsarana manokana (ordonnance) mba hahafahan’ireo mpifidy tsy voasoratra nifidy farany teo. Saika niteraka savorovoro sy olana anefa izany. Io indrindra no hanentanan’ny CENI amin’izao fotoana izao ny mba hisoratana anarana. « Manana anjara andraikitra amin’io fanavaozana ny lisitry ny mpifidy avokoa ny olom-pirenena. Rehefa hatao kitoatoa anefa izy io dia miverina amin’ny filàna ordonnance ka izay indrindra no tokony hialana », hoy i Andriamalazaray Andoniaina, Filoha lefitra voalohany ao amin’ny CENI. Somary nangingina moa ity hetsika ity, tamin’ity taona ity noho izy nifandridalana tamin’ny fifidianana kaominaly farany teo. Raha tsiahivina, nahatratra 11 631 156 ny isan’ny mpifidy nisoratra anarana ny taona 2024, nandritra ny RALE farany.

Lire la suite

Articles Similaires