Ireo lafin-javatra mila heverina alohan’ny hiovana asa
Maro tokoa ireo maniry hiova asa na fitadiavam-bola. Mety izany noho ny fahatsapana fa tsy ampy ny karama na vola miditra, tsy tiana intsony ny asa atao, maniry hanao asa hafa mihintsy… Alohan’ny hiovana asa nefa dia misy ireo lafin-javatra mila heverina vao miroso amin’izany tetikasa izany mba hisorohana ny nenina rehefa any aoriana.
Fantarina ireo antony manosika hiova asa
Fanapahan-kevitra lehibe mety misy fiantraikany maro eo amin’ny fiainanana ny fiovana asa. Mila fandinihana sy fieritreretana tsara ny firosoana amin’izany. Anisan’ireo lafin-javatra mila heverina voalohany ny mikasika ireo antony manosika hiova asa. Fantarina hoe fahataitairana mandalo fotsiny ihany ve sa tena misy antony lehibe mandrisika hiala amin’ny asa atao. Mametra-panontaniana amin’ny tena hoe : inona no zavatra tsy ampy amin’ilay asa mahatonga anao te hiova asa ? Inona no asa na tetikasa tiana ho atao raha hiova asa ? Dingana iray tsy azo atao tsirambina ity fandinihan-tena ity mba hananana ny risi-po ilaina amin’ny ezaka rehetra atao sy mba hisorohana ny nenina rehefa ao aoriana. Mba
Tsy voatery ho tsara foana ny asa hafa
Alohan’ny hikasana hiova asa dia mila atao ao an-tsaina hoe tsy voatery ho tsara noho ny asa atao amin’izao ny asa na ny fitadiavam-bola hafa. Samy manana ny lafy tsarany sy ny lafy ratsiny avokoa ny asa sy ny toeram-piasana rehetra. Mety hoe hiala amin’ny olana ara-kasa lalovanao amin’izao ianao rehefa miova asa nefa koa tsy maintsy hisy olana hafa ho lalovana any amin’ny asa na fitadiavam-bola vaovao ho atao. Indraindray mety hoe ny fomba handrosoana sy hahombiazana dia ny hiatrehana ny olana sy sedra izay misy. Raha hiova asa foana isak’izay misy olana tokoa mantsy dia tsy hahavita hampitombo ny herin-tsaina sy ny fahaiza-manao hahafana mamaha olana mihintsy.
Tsy mora ny mahatratra ny tanjona feno
Mila fotoana maharitra vao mahavita mahatratra ny tanjona feno hiriana eo amin’ny lafiny ara-kasa. Rehefa miara-miasa maharitra amin’ny mpampiasa iray dia lasa mihazatra, mitombo ny tambajotra ary lasa mahomby kokoa amin’ny asa atao. Isaky ny miova asa nefa dia miverina mizatra miara-miasa amin’ny mpampiasa sy mpiara-miasa vaovao indray, mampitombo ny tambajotra… Mbola somary mazana noho izay ireo dingana atao sy lalana lalovana raha mikasa ny hanangana orinasa na hiasa-tena. Noho izany, mila ezaka, faharetana sy fikirizana tanteraka ny fiovana asa raha te hahomby sy hahatratra ny tanjona feno tiana tanterahana.