Antananarivo : Fahatongavan’ny orana, naato ny fahatapahan-jiro mifandimby
Nisitraka orana i Antananarivo sy ny manodidina nanomboka ny sabotsy lasa teo. Vokatr’izany dia nanambara ny orinasa JIRAMA tao amin’ny pejy « facebook » fa naato ny fanapahan-jiro mifandimby ho an’ny tambazotra iraisan’Antananarivo.
Miasa tanteraka ny ao Andekaleka
Tamin-kafaliana no nilazan’ny avy ao amin’ny orinasa JIRAMA ity fampahafantarana ity. « Am-pifaliana no hampahafantarana antsika mpanjifa fa amin’izao fahatongavan’ny orana izao dia efa miasa feno toho-drano ao amin'ny tobi-pamokarana ao Andekaleka. Vokany, naato ny fahatapahan-jiro mifandimby », hoy izy ireo tao amin’io fanambarana io. Raha ny tsikaritra rahateo dia nahitana fihenana ny fahatapahana nanomboka tamin’io sabotsy io. Etsy ankilany anefa dia mbola manahy ny fiverenan’ny olana hatrany ireo mponina. Raha tsiahivina dia fitadiavam-bola maro isan-karazany no lasa matiantoka noho io fahatapahan-jiro io. Izany indrindra no tian’ireo mponina hialana mba hahafahan’izy ireo miaina ny fampidiram-bolany araka ny tokony. Isan’ny fanehoan-kevitra nataon’ireo mpampiasa ny tolotra eto Antananarivo ny hikarohana vahaolana dieny izao momba ny hain-tany amin’ny fotoana tsy voafetra.
Olana ara-teknika
Mety tsy ho foana tanteraka anefa io fahatapahan-jiro io raha ny fanazavana. « Raha misy ny fahatapatapahan'ny herinaratra tampoka dia mety ho noho ny olana ara-teknika na tsy fahatomombanan'ny famatsiana fa tsy olan’ny rano intsony », hoy hatrany izy ireo tao amin’io fanambarana io. Mbola fanehoan-kevitra tao amin’io fampahafantarana io hatrany ny filazana fahatapahan-jiro maharitra teny amin’ny toerana samihafa teto Antananarivo. Miantso ny mponina araka izany ny orinasa JIRAMA mba hitatitra izany avy hatrany amin'ny serivisy ho an’ny mpanjifa. Afaka antsoina maimaim-poana ny 547. Afaka manoratra hafatra manokana ao amin'ny pejy Jirama Ofisialy na WhatsApp 038 830 3547 ihany koa, hoy hatrany izy ireo.