Fanazarana manampy hampandroso ny fianarana teny vahiny
Maro tokoa ireo mianatra teny vahiny izay mahatsapa fa tsy mivoatra na mandroso araky ny ezaka atao ny fahaizana ilay teny. Mazava ho azy fa mila fikirizana sy faharetana ny mianatra teny vahiny. Ho fanampin’izany dia zaraina eto ireo fanazarana tsara atao hampandro ny fianarana sy hifehezana ilay teny ianarana.
Hamafisina ny fahazoana tsara ilay teny vahiny hianarana
Mba hampandroso ny fianarana sy ny fahaizana teny vahiny iray dia mila hamafisina ny fahazoana tsara ilay teny hianarana. Mba hahatongavana amin’izany dia ilaina ny manao fanazarana mihaino sy mamaky ilay teny matetika. Ny tanjona dia tsy hahazoana amin’ny ankapobeny izay voasoratra na izay re fotsiny ihany fa tena mandalina raki-tsoratra sy lahateny mihintsy. Fanazarana tsotra sy mora atao afaka safidiana ihany koa ny mijery horonantsary, mandinika tononkira na mamaky boky ahafahana manatsara ny fahazoana ilay teny vahiny.
Masahy miteny sy miresaka
Ankoatra ny famakiana sy fihainoana ny teny vahiny hianarana dia tena ilaina ihany koa ny miteny izany. Ny tena tsara dia mitady olona mahafehy io teny io ifampiresahana. Tsy voatery hoe olona tena tompon’ilay teny no hifaneraserana fa mety ihany koa na mpianatra hafa na mpampianatra io teny io no hiresahana. Raha tsy misy olona afaka hiresahana moa dia afaka mamorona karazana lahatsoratra dia io no atao misy mitsara. Mety manampy ihany koa ny famoronanana « blog » amin’ilay teny vahiny mba hampivoatra ny fahaizana izany.
Mifehy ny fahalalana fototr’ilay teny
Zava-dehibe tsy azo atao tsirambina amin’ny fianarana teny vahiny ny fifehezana ireo fahalana fototr’izany. Mba hahaizana izany dia fanazarana tsotra miompana amin’ny fitsipi-pitenenana, voambolana ary fanononana hifantohana. Efa maro ankehitriny ireo fitaovana isan-karazany ahafahana manao ireo fanazarana ireo.
Atao izay mampahazo aina rehefa mampiasa ilay teny
Rehefa voafehy tsara ny teny vahiny iray dia mandeha ho azy sy mahazo aina tsara rehefa mampiasa izany. Izany hoe tsy mieritreritra be loatra sy miezaka mitady dikan-teny rehefa mamaky, mihaino, manoratra na miteny ilay teny fa tonga dia malama tsara. Mba hahatongavana amin’izany dia azo atao ohatra ny manao « sessions chronométrées » amin’ny fanazarana toy ny famakiana teny malaky, famoronana sy fanaovana lahateny…