Torohevitra hitantanana ny tsy fitoviana karama eo amin’ny mpivady
Antony iray matetika miteraka fifamaliana eo amin’ny mpivady ny mikasika ny fitantanam-bola ao an-tokantrano. Eo amin’ny mpivady sasany dia mampitombo ny tsy fifankazahoana ny fampidiran’ny vehivavy vola betsaka kokoa. Ahoana ary ny fomba atao hitantanana ny tsy fitoviana karama eo amin’ny mpivady ?
Mifampiresaka am-pahatsorana sy an-kalalahana
Efa nozarin’ny fiarahamonina hatramin’izay isika hoe ny lehilahy no manohana ara-bola ny ankohonana. Raha misy noho izany ny tsy fitovian’ny vola ampidirin’ny mpivady dia matetika ny lehilahy no mampidi-bola betsaka kokoa. Maro nefa ankehitriny ny vehivavy mikarama betsaka kokoa nohon’ny vadiny. Mety hampihena ny fahatokisan-tenan’ny lehilahy sasany izany toe-javatra izany. Mba hampirindra sy hampilamina ny fitantanana ny tsy fitoviana karama eo amin’ny mpivady ary dia mila mifampiresaka am-pahatsorana sy an-kalalahana ny mpivady. Mila mifampiheno, mifanaja ary miaraka mametraka fitsipika mazava hitsinjarana ny vola mba hisorohana ny tsy fifankahazoana.
Mametraka tetibola hikambanana
Rehefa mivady dia hiombonana avokoa ny fananana rehetra. Ilaina ihany koa arak’izany ny mametraka tetiboka hikambanana mba hampilamina ny fitantanana ny vola ao an-trano sy hisorohana ny fifandirana manoloana ny tsy fitoviana karama. Mba hanatanterahana izany dia fantarina dieny mialoha ireo fandaniana rehetra isam-bolana. Tsinjaraina avy eo ny fomba hanefana azy ireo. Zaraina mitovy ny vola aloha na miankina amin’ny fidiram-bolan’ny tsirairay. Io tetibola io no hikambanana. Afaka hanampiana azy io moa ny tetikasa sy ny tahiry tiana hatao.
Fehezina ny ambom-po
Isan’ny fomba iray mandaitra indrindra hitantanana ny tsy fitoviana karama eo amin’ny mpivady ny fahaizana mifehy ny ambom-po. Na ny lehilahy na ny vehivavy no mampidi-bola betsaka dia mila mahay mifanaja sy mifanohana ny mpivady mba hampirindra tsara ny fiainana ao an-tokantrano, indrindra ny fitantanana ny vola. Fadiana ny mifampitaha ny fampidiram-bola. Tohanana sy ankalazaina hatrany ny fahombiazan’ny vady ara-kasa na betsaka na kely ny vola ampidiriny. Tsy adinoina ny mankasitraka ny fandraisan’anjaran’ny vady eo amin’ny fampandehanana ny tokantrano, na ny ara-bola izany na ny fanaovana ny raharaha sy andraikitra samihafa ao amin’ny ankohonana.