• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Kahloun Immobilière
Image
Asa & Fianarana

Miasa ao an-trano sady manao raharaha, ahoana ny handaminana ny fotoana ?

10/01/2025 15:40 © Moov.Mg

Maro tokoa ankehitriny ireo karazana asa azo atao ao an-trano, toy ny asa-tena, ny fanaovana « télétravail », « vente en ligne »… Na dia manome fahalalahana ara-potoana kokoa aza ny fanaovana ny asa an-trano dia mety hanahirana ihany izany raha tsy mahay mandrindra ny asa sy ny raharaha ao an-tokantrano. Araho eto ary ireo torohevitra manampy handaminana ny fotoana mba tsy hahatsiaro tena tototra loatra.

Ireo lafin-javatra mety manahirana rehefa miasa ao an-trano

Maro tokoa ireo lafy tsaran’ny fiasana ao an-trano : tsy lany fotoana sy vizaky ny fandehanana miasa, afaka manara-maso ny zanaka sy ny ao an-tokantrano, afaka mandamina ny fotoana hanaovana ny asa… Misy ihany koa nefa ireo lafin-javatra mety manahirana toy :
-Ireo zavatra manelingelina tsy ahavitana mifantoka amin’ny asa, toy ny fikarakarana ny zanaka, fikarakarana sakafo sy ireo raharaha samihafa ao an-tokantrano ;
-Tsy fisian’ny lamina mazava amin’ny fotoana hiasana sy hanaovana raharaha ka lasa mety tapatapaka ny fotoana hiasana. Raha izany no mitranga dia mety voatery miasa alina na koa tsy mahavita tsara ny asa mila tratrarina.

Ny fomba atao handrindrana ny fotoana hiasana sy hanaovana ny raharaha

Mba hahafahana mandrindra ny asa sy ny raharaha ao an-tokantrano dia mila mametraka lamina sy fitsipika mazava amin’ny andavanandro. Anisan’ireo manampy ny :
-Fanokanana toerana hiasana manokana ao an-trano. Mila avahana tsara ny toerana hiasana sy ny toerana hiainana mba hanatsarana ny fifantohana rehefa miasa ;
-Fametrahana lamin’asa. Izany hoe mamaritra ora mazava hiasana sy hanaovana raharaha. Tsara raha mampiasa fitaovana fandrindrana fotoana toy ny « agendas » na « applications » mba hahafahana mandamina ny fandaharam-potoana sy manaja izany ;
-Fizarana ny raharaha. Raha miara miaina amin’olona hafa na manana ankohonana dia mila tsinjaraina ireo raharaha ao an-tokantrano mba tsy handany fotoana be loatra anatin’ny tontolo andro ;
-Fampidirina anatin’ny fandaharam-potoana isan’andro ny fanadiovana sy fandaminana trano. Atao tsikelikely sy matetika ireo raharaha ireo fa tsy andrasana miangona be rehefa faran’ny herinandro. Ohatra hoe sasana isaky ny avy misakafo ny lovia, alamina isaky ny avy miasa ny birao na ny toerana fiasana…

Lire la suite

Articles Similaires