• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dentica
Image
Fahasalamana&Sakafo

Lasa misy tasy volontany ny nify : ahoana no atao ?

10/01/2025 11:17 © Moov.Mg

Toe-javatra mety mitranga ny hoe lasa misy tasy miloko volontany na matroka eo amin’ny nify. Sady manaratsy endrika izany no miteraka fanahiana mikasika ny fahasalaman’ny nify. Fa inona tokoa ary ireo antony mety mampisy tasy volontany ny nify ? Inona no tokony atao hanesorana sy hisorohana izany ?

Ireo antony mety mampisy tasy volontany eo amin’ny nify

Maro ireo antony mety mahatonga ny nify lasa misy tasy volontany na matroka. Anisan’ireo antony lehibe fahita ny :
-Areti-nify sy ny « tartre »
Ny areti-nify na ny « caries dentaires » no isan’ny antony lehibe sy matetika mampisy tasy volontany eo amin’ny nify. Ny famadihan’ireo bakteria ao am-bava ny siramamy sy « amidons » ho lasa « acides » dia mamotika ny « email » miaro no nify. Raha tsy toherina amin’ny alalan’ny fanadiovana sy fikarakarana tsara ny ati-vava moa izany dia lasa mihitatra ka mahatonga ireo tasy volontany na matroka eo amin’ny nify.
Ny « tartre » kosa dia fiangonan’ny « plaque dentaire » tsy voadio tsara rehefa miborosy nify isan’andro. Lasa mihamafy io « plaque dentaire » io ary matetika miloko volontany. Mahazana dia eo anelanelan’ny nify sy manakaiky ny hihy no hitoerany. Rehefa lasa « tartre » moa ireo « plaque » dia tsy maintsy ny mpitsabo nify no manadio izany.
-« Affections médicales » sy anton-javatra hafa
Ankoatra ny areti-nify sy ny « tartre » dia misy ihany koa ireo « affections médicales » sy anton-javatra mety mampisy tasy volontany eo amin’ny nify. Anisan’izany ny « fluorose dentaire » izay vokatry ny fampiasana « fluor » be loatra mandritra ny fotoana fanirian’ny nify. Marina fa ilaina amin’ny fiarovana ny nify ny « fluor » fa raha be loatra kosa nefa dia mety mampiova ny lokon’ny nify. Ireo anton-javatra mety mahatonga ny tasy volontany amin’ny nify dia ny faharatran’ny nify na ny fanaviana be loatra nandritra ny fahazazana izay lasa namela tasy tsy mety afaka eo amin’ny nify. Matetika dia miloko volontany moa izany.

Fitsaboana sy fisorohana ny tasy volontany eo amin’ny nify

Ny fikarakarana sy fanadiovana tsara ny nify no fomba voalohany hisorohana amin’ny fisian’ireo tasy volontany eo amin’ny nify sy hitsaboana izany. Anisan’ireo fahazarana mila ampiharina ary ny fiborosiana tsara ny nify, indroa isan’andro fara fahakeliny. Ilaina ihany koa ny mampiasa « fil dentaire » mba hanadiovana ny elanelan’ny nify izay tsy takatry ny borosy nify. Ankoatra izay dia mila ferana na fadiana ny fihinana sy fisotroana zava-mamy sy marikivy loatra. Tsy adinoina ny mandeha mizaha nify indray mandeha na indroa isan-taona.
Raha efa misy tasy volontany eo amin’ny nify dia mila manantona mpitsabo nify mba hanesorana ny « tartre » sy ireo « plaques » lasa mafy miraikitra eo amin’ny nify. Ny mpitsabo nify ihany koa no mahafantatra raha misy nify marary mila tsaboina mba hanesorana ireo tasy matroka eo amin’ny nify.

Lire la suite

Articles Similaires