• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Edith-Natacha
Image
Fahasalamana&Sakafo

Framboise : Manampy amin'ny fisorohana ny diabeta sy ny aretin'ny fo

23/10/2026 11:45 © Moov

Mitovitovy amin'ny voaroy hazo ny "framboise", saingy kelikely kokoa sady mena ny lokony. Manana io voankazo io isika eto Madagasikara, na dia sarotsarotra hita aza.

Raha vao mahita Framboise eny an-tsena, tsara raha mividy na dia atsasa-kilao aza satria voankazo tena mahasoa izy io. Azo hanina fotsiny amin'izao izy, na afangaro amin'ny voankazo hafa (atao salade de fruits), na atao ranom-boankazo.

Misoroka ny diabeta

Manampy ny vatana amin'ny fisorohana ny diabeta ny Framboise. Manana taha ambony amin'ny "fibres" izy, izay tsy mampakatra be loatra ny tahan'ny siramamy ao anaty rà. Raha mahatsapa fa nihinana mamy be loatra, mahomby ny fihinanana io voankazo io na dia 100 grama aza.
Ny "potassium" azo avy aminy no manampy ny fitaterana "oxygène" anaty rà, sady manamafy ny taolana rahateo.

Misoroka ny aretin'ny fo

Miaro ny lalandra mankany amin'ny fo tsy ho tsentsina ny Framboise. Misy akora mampizotra tsara ny fitempon'ny fo ihany koa io voankazo io. Mampidina ny "stress" ihany koa ny Framboise, noho ny fanananany ny singa atao hoe "manganèse".

Manamora ny fandevonankanina

Misy fiantraikany tsara amin'ny fandevonankanina ihany koa ny Framboise. Manampy ny vavony sy ny tsinay hiasa tsara izy, indrindra noho ny tahan'ny rano ambony ao aminy.

Lire la suite

Articles Similaires