Fikolokoloana ny ankizy : mitondra vokatsoa maro ny fanaovana sary
Tia manao sary avokoa ny ankamaroan’ny ankizy kely. Mahafinaritra sy mampiala voly azy ireo tokoa mantsy ny fanaovana izany. Mila avela sy amporisihana manao sary ny ankizy satria ankoatra ny maha fialamboly izany dia maro ny vokatsoa entiny eo amin’izy ireo. Andeha ary ho resahana eto ny mikasik’izany.
Ireo vokatsoa entin’ny fanaovana sary eo amin’ny ankizy
Mitondra vokatsoa eo amin’ny lafiny maro amin’ny sain’ny ankizy ny fanaovana sary. Anisan’izany ny :
-Fampitombohana ny famoronana. Rehefa manao sary ny ankizy dia avelany hiasa malalaka ny famoronan’ny sainy na ny « imagination ». Mamorona tontolo, tantara, « personnages »… izy ary izany no ezahany raketina an-tsary arak’izay hitiavany azy.
-Fanatsarana ny « motricité fine » toy ny fitazomana pensily hazo, fifehezana ny fihetsiky ny rantsan-tanana, tanana sy hato-tanana rehefa manao sary… Manampy betsaka amin’ny fanoratana sy « activités » maro io fihatsaran’ny « motricité fine » io.
-Famoahana ny fihetseham-po. Indraindray tsy ampy hamoahana ny fihetseham-po ny teny. Afaka manampy ny ankizy hamoaka izay ao am-pony toy ny hafaliana, tahotra… amin’ny fomba « spontanée » sy miavaka kokoa ny fanaovana sary.
-Fampivoarana ny saina. Rehefa manao sary ny ankizy dia mijery, mandinika sy mitadidy. Mianatra mamantatra sy maneho ny tontolo manodidina azy izy. Ny fanaovany izany dia manampy betsaka amin’ny fampivoarana ny sainy.
-Fahatokisan-tena. Isaky ny mahavita sary iray ny ankizy dia mahatsaro nahazo fandresena kely. Ny fahavitany zavatra iray samirery dia mampitombo ny fahatokisan-tena ao aminy.
Ahoana ny atao handrisihana ny ankizy hanao sary ?
Mety mandalo ihany ny fotoana hitiavan’ny ankizy sy hazotoany manao sary. Araka ny voalaza teo nefa dia mitondra vokatsoa maro ho azy ny fanaovana izany. Mba handrisihana ny ankizy hanao sary ary dia :
-Homena ireo fitaovana fanaovana sary ilainy izy. Anisan’izany ny taratasy, pensily hazo miloko, « feutres »… Avela izy ampiasa sy hanandrana fitaovana samihafa ;
-Hanomanana toerana manokana hanaovany sary izy. Tsy voatery hoe efitrano manokana fa rehefa misy toerana ahafahany manao sary am-pilaminana dia ampy ;
-Tsy kihanina na haratsiana ny sary ataony. Amin’ny maha ankizy azy dia mora tohana sy mora malahelo izy raha kihanina na haratsiana ny sary ataony. Ezahana amporisihina sy ankasitrahana hatrany izy amin’ny ezaka nataony ;
-Miaraka manao sary aminy. Fomba iray hanakaikezana ny fon’ny ankizy sy hanoroana azy ny fanaovana sary miaraka aminy.