Asa mijoro mandritra ny ora maharitra: ny fiantraikany amin’ny vatana
Matetika dia heverina fa ny miasa mijoro mandritra ny ora maro no mahasalama kokoa noho ny mipetraka ela. Na izany aza nefa nefa dia tsy mora amin’ny vatana ihany koa ny mijoro mandritra ny tontolo andro, indrindra raha tsy misy fotoana hakana aina na hihetsiketsehana. Araho eto ireo mety ho vokadratsy aterak’izany amin’ny vatana rehefa ela ny ela.
Asa mijoro maharitra: miteraka fihenjanana amin’ny hozatra sy taolana
Ny fiasana mijoro mandritra ny ora maro dia misy mampiasa mafy ny tongotra, ny faladia ary ny lamosina. Rehefa mijoro ela tsy mihetsika dia voatery miasa tsy mitsahatra ny hozatra mba hitazona ny vatana. Izany dia miteraka:
-havizanana amin’ny hozatra, indrindra ny ranjo sy ny fe,
-fanaintainana amin’ny lamosina ambany,
-fahatsapana mavesatra amin’ny tongotra noho ny fikorontanan’ny fivezivezen’ny ra.
Rehefa mandeha ny fotoana dia mety hitarika areti-mitaiza izany, indrindra raha tsy mety ny fomba fijoro sy ny fitaovana ampiasaina.
Olana amin’ny fivezivezen’ny ra
Ny fijoroana maharitra sy tsy mihetsika dia manaela ny fiverenan’ny ra avy amin’ny tongotra mankany amin’ny fo. Izany dia mety hitarika:
-fivontosana amin’ny kitrokely sy ny faladia,
-fisehon’ny lalan-drà mivonto (varices),
-fahatsapana misy manindrona na mifandrirotra amin’ny tongotra.
Amin’ny tranga sasany dia mety hampitombo ny « risques » hampisy tsy fahatomombanan’ny lalan-drà maharitra izany rehefa any aoriana.
Fiantraikany amin’ny vanintaolana
Mahazo tsindry tsy mitsahatra ihany koa ny lohalika, ny valahana ary ny kitrokely. Rehefa ela ny ela dia mety hahatonga:
-fahasimban’ny tonon-taolana,
-fanaintainana maharitra,
-fihenan’ny fahafahana mihetsika.
Mitombo ny « risques » raha tsy mety ny kiraro anaovana na mafy loatra ny tany ijoroana (toy ny beton na carreaux).
Havizanana ankapobeny sy fihenan’ny fifantohana
Ny fijoroana ela dia mitaky hery tsy tapaka ihany koa. Izany dia mety hiteraka:
-havizanana rehefa mifarana ny tontolo andro,
-fihenan’ny fifantohana,
-fihenan’ny fahombiazana amin’ny asa.
Diso ny fiheritreretana hoe mampitombo ny fifantohana ny fijoroana ela, indrindra raha tsy elanelanina fipetrahana na fihetsiketsehana matetika.
Ahoana ny atao hamerana ny vokadratsin’ny fijoroana maharitra amin’ny asa ?
Misy fomba tsotra azo atao hiarovana ny vatana:
-Ampifandimbiasana ny fijoroana sy ny fipetrahana raha azo atao,
-manao fitsaharana (pauses) fohy hivezivezena na anaovana « étirements »,
-manao kiraro mampahazo aina,
-mitazona « posture » na fomba fijoroana mety (zaraina amin’ny tongotra roa ny lanja, atao mahitsy ny lamosina).




