Fanamby ara-kasa : mila faritana dien’ny voalohan’ny taona
Fotoana iray hametrahana fanamby vaovao sy fanapahan-kevitra vaovao ny voalohan’ny taona toy izao. Amin’ny sehatra ara-kasa izao dia fotoana iray hametrahana tanjona sy hampiharana paikady vaovao. Ahoana ary no fomba atao hiatrehana sy hahombiazana ireo fanamby ireo ? Andeha ho resahana eto ireo torohevitra vitsivitsy ahatanterahana izany.
Atao jery todika ny taona nodiavina teo
Ny dingana voalohany atao ahafahana mamaritra ireo fanamby ara-kasa vaovao sy hahombiazana izany dia ny fanaovana jery todika ny taona lasa. Maro ireo lafin-javatra jerena manokana amin’izany :
-Ireo fahombiazana. Inona avy ireo tetikasa nahomby notanterahana ? Inona avy ireo fahaiza-manao hazo sy nohamafisina ?
-Ireo fahasahiranana. Inona avy ireo olana samihafa nolalovana ? Inona no zavatra diso na tsy nety natao ?
-Ireo lesona. Inona no zavatra voaray tao anatin’ireo lesoka sy fahasahiranana nodiavina ?
-Zava-dehibe ny fanaovana ity jery todika ity mba ahafantarana ny tanjaka, ny fahalemena sy ireo zavatra mbola mila hatsaraina mba hahombiazana amin’ny asa.
Mametraka tanjona mazava sy azo tanterahina
Ilaina ny mametraka tanjona vaovao mba ahafahana mamaritra ny fanamby ara-kasa ho tanterahina amin’ity taona vaovao ity. Tandremana tsara mba ho mazava tsara ny tanjona apetraka. Tsy mikaroka zavatra sarotra loatra fa izay azo tanterahana aloha no faritana.
Ankoatra izay dia fadiana ny mametraka tanjona be dia be loatra. Ireo hita fa tena manan-danja aloha no tratrarina satria mety manakorontan-tsaina ary tsy mampahomby ny manenjika zavatra maro indray mandeha. Tsara raha raketina an-tsoratra ireo tanjona mba ahafahana mahita sy manaraka tsara izany.
Mampitombo ny fahaiza-manao
Miantoka ny fahombiazana sy fandrosoana ara-kasa ny fampitomboana hatrany ny fahaiza-manao. Tsy mitsahatra mivoatra ny tontolon’ny asa sy ny fitaovana samihafa ampiasaina eo amin’ireo sehatra rehetra. Arak’izany dia tsy azo atao ny mionona amin’ny zavatra hay. Mila mikaroka hatrany ireo fivoharana misy ary mampitombo ny fahaiza-manao hifehezana izany.
Mikarakara ny tena
Mba hananana ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana ilaina amin’ny fanatanterahana ireo fanamby ara-kasa napetraka dia tsy azo atao ankilabao ny fikarakarana tena. Atomboka amin’ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, fisotroana rano tsara, fanaovana fanatanjahantena sy fahampiana torimaso izany.
Etsy andaniny dia kolokoloina tsara ny fahasalamana sy ny fitonian’ny saina. Mianatra mifehy ny rarintsaina sy maka fotoana hialana voly. Tsy adinoina ny manokana fotoana hoan’ny ankohonana sy hamalifaliana ny tena fa tsy variana miasa foana.