Fomba fanaovana « poisson farci » matsiro
Isan’ireo sakafo matsiro sady mitondra otrikaina maro ilain’ny vatana ny trondro. Anisan’ny fomba hafa afaka hikarakarana azy ity ny « poisson farci ». Mora karakaraina nefa dia dia mafilotra tokoa ity nahandro ity. Araho eto ary ny fanaovana azy.
Ireo zavatra ilaina raha anao « poisson farci »
-Trondro Merlan lehibe 6 ;
-Pâte blanche 125g ;
-Atody 1 ;
-Tongolo ;
-Tongolo gasy ;
-Champignon noir ;
-Tongolo maitso ;
-Fécule ;
-Kotomila ;
-Voatabia ;
-Sira ;
-Voasary makirana ;
-Sakamalaho.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Lomana rano matimaty ny pâte blanche sy ny champignon noir mba halemy.
Tetehana madinika ny tongolo, tongolo maitso, champignon noir.
Totoina ny sakamalaho sy ny tongolo gasy.
Kikisana sy diovina ny trondro. Didiana manaraka ny halavany ny kibon’ny trondro dia esorina ny taolany.
Kikisana moramora hiala ny nofony avy eo ka ilay hodiny sisa no avela. Tandremana tsy ho rovitra.
Ny fanaovana ny sesika na ny « farce »
Atao anaty lovia jobo lehibe ny nofon’ny trondro, pâte blanche, champignon noir, kotomila, tongolo maitso, fécule, atody, sira, sakamalaho, tongolo gasy sy tongolo. Atao mifangaro tsara daholo.
Asesika ao anatin’ny kibon’ny trondro nesorina nofony teo io « farce » io. Lalorina menaka ny vatany.
Azo endasina na andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 200°C ity nahandro ity. Rehefa mendy dia vonona.