Vita Fety : Miezaka mihinana Sakafo ara-pahasalamana amin'izay !
Matsiro, matavy, masiatsiaka, ... Saika sakafo tsy dia ara-pahasalamana avokoa no tena nohanina tamin'ny fety. Mbola mitohy nefa ny korana nandritra ny herinandro vitsivitsy noho ny fifampiarahabana. Izany indrindra no itandremana amin'izay sakafo mbola ho karakaraina mba hitandrovana ny fahasalamana.
Ampitomboina ny legioma
Adinodino kely ny legioma tamin'iny fety iny. Na nohanina aza izany dia nampiarahana tamin'ny akora matavy na simika. Nankafizina tokoa ohatra ny "macedoine" nasiana mayonnaise na ovy nasiana sardines.
Manomboka izao ary, na dia mbola hisy fetifety isan-karazany aza, dia tsara raha ajanona mihitsy aloha ireo akora tsy mahasalama. Atao maroloko ny legioma eo am-bilia ary tsara raha atao "cuisson à la vapeur" izany. Azo asiana saosy "vinaigrette" kely sy sira mba hanomezan-tsiro azy.
Amporisihana ny fihinanana ron'angivy mba hanala ireo tavy ratsy any anatin'ny vatana.
Ahena ny siramamy
Tsy vitsy ireo zava-mamy nohanina nandritra ny fety : ranomboankazo (indrindra ny ranomboankazo indostrialy sy misy "gaz"), sokola, mofomamy, gilasy, sns. Manakorontana ny tosidra sy ny taova maro ao anaty nefa ny siramamy. Mahatonga fitomboan-danja ihany koa izy sady mitarika diabeta.
Mba hisorohana aretina maro, tsara raha ajanona mihitsy ireo sakafo mamy loatra, toy ny mofomamy sy ny vatomamy. Raha te hisotro ranomboankazo indray, aleo manamboatra ao an-trano, ka kely ny siramamy arotsaka. Azo soloina tantely ny siramamy rehefa hisotro dite mafana.
Voankazo no atao "goûter"
Sady mampitombo lanja no tsy mahasalama firy ny tsakitsaky isan-karazany toy ny nems, frites, sandwich, cacapigeon, sns. Koa satria efa nihinana sakafo matsiro tao ho ao, ny fanadiovana ny taova ao anaty no tokony vaindohan-draharaha. Kendrena tsy ho reraka ihany koa ny vavony, ny aty sy ny voa.
Amporisihana araka izany ny fihinanana voankazo rehefa mahatsiaro noana iny, eo anelanelan'ny sakafo roa. Tena mahasoa sady vokatra amin'izao fahavaratra izao ny akondro, ny manga, ny paiso sy ny pastèque.
Torohevitra mahasoa
Tsy mora ny manaraka sakafo ara-pahasalamana, satria mandany vola sy fotoana kokoa noho ny sakafo tsy ara-pahasalamana.
-Tsara kokoa ny hena fotsy toy ny trondro noho ny hena mena
-Amporisihana ny fihinanana voasary makirana rehefa misy karazana haza an-dranomamy na an-dranomasina ny sakafo
-Ferana ny fampiasana episy amin'ny sakafo
-Tsy azo adino ny rano