Fomba fikarakarana masikita hen’ondry
Amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao dia maro amintsika ny mikaroka ireo karazana tsakitsaky tsara haroso sy hiaraha mifaly. Anisan’ireo kitonotono tsy dia mahazatra nefa tena matsiro ny masikita hen’ondry. Tsy sarotra araka ny fiheverana azy ny fikarakarana ity tsakitsaky ity. Araho ange e !
Ireo zavatra ilaina raha hanao masikita hen’ondry
-Hen’ondry (sorony) 600g ;
-Tongolo 1 ;
-Tongolo gasy hasiny 4 ;
-Menaka 6 sotro fihinanana ;
-Thym ;
-Cumin vovony 3 sotrokely ;
-Voatabia 2 ;
-Laurier ;
-Voasary makirana 2 ;
-Voasary makirana milona na citron confit ;
-Sira.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Tetehana ho efajoro arak’izay habeny hitiavana azy ny hen’ondry ary atao anaty koveta kely.
Totoina ny tongolo sy ny tongolo gasy ary arotsaka ao anatin’ny hen’ondry voatetika. Alefa ao manarak’izay ny cumin vovony, ny laurier, ny thym, ny ranona voasary makirana, ny sira sy ny menaka. Avela hilona mandritra ny adiny 3 ora farafahakeliny mba hiditra tsara ao amin’ny hena ireo tsiro sy mba hampalemy tsara ny masikita.
Asesika milahatra amin’ny vy na ny hazo fanaovana masikita ny hena. Elanelanina voatabia voatetika sy voasary makirana nilona na citron confit. Afaka asiana trafon-kena raha tiana mbola hatsiro kokoa.
Hafanaina ny fatana fanatonoana masikita. Atono mandritra ny 4 minitra amin’ny ilany avy eo avadika ka atono 4 minitra ihany koa ny ambadika. Aroso mafana ny masikita. Tsara raha rarahana kotomila notetehana madinika eo amboniny mba hahamanitra tsara ity kitonotono ity.