• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Eceve
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : ireo fitandremana ara-tsakafo mandritra ny fety tsara ho fantatra

30/12/2024 16:18 © Moov.Mg

Fotoana fanararaotana mihinana sakafo matsiro sy maro karazana ny fetin’ny faran’ny taona. Afaka mankafy izany ihany koa ny bevohoka. Misy ihany kosa nefa ny fitandremana tsara atao satria misy karazana sakafo tsy tokony hoanina satria mety mahatonga otrikaretina sy tsy mahasoa ny zaza ao an-kibo. Andeha ho resahana eto ary ny mikasik’izany.

Ireo antony tokony hitandreman’ny bevohoka ny sakafo mandritra ny fety

Mila tandremana tokoa ny sakafo hoanina mandritra ny fitondrana vohoka. Marina fa tsy misy fadifady be ara-tsakafo takiana amin’ny bevohoka. Tsara hatrany nefa ny manamarika fa isan’ireo mety mitondra ny aretina toy ny « toxoplasmose », « listériose » na ny « salmonellose » ny sakafo. Arak’izany dia mila ferana ny fihinanana ireo fantatra fa mety mahatonga ireo aretina ireo satria mety mahafa-jaza na mahatonga fahasamponan’ny zaza ao am-bohoka izany.

Inona avy ary ireo sakafo mila tandreman’ny bevohoka amin’ny fety ?

Mba hisorohana ny otrikaretina mety ateraky ny sakafo eo amin’ny bevohoka mandritra ny fetin’ny faran’ny taona ary dia ireto avy ireo mila tandremana :
-Ireo sakafo manta sy nahandro tsy masaka tsara, indrindra ny hena, ny trondro sy ny « charcuterie ». Fadiana tanteraka izy ireny satria manamora ny fifindran’ny bakteria mety mitera-doza eo amin’ny fahasalaman’ny bevohoka sy ny zaza ao an-kibo ;
-Ny « huîtres » na dia ireo nomasahana aza ;
-Ny fromazy mafy ;
-Ny sakafo « fumés » toy ny « saumon », « thon »… noho izy mety mahavoa ny aretina « listériose » ;
-Ny « foie gras » mantamanta ;
-Ny « mayonnaise ».
Ankoatra ny fifadiana ireo karazana sakafo voalaza ireo dia misy ihany koa ireo fitandremana hafa mila ataon’ny bevohoka, toy ny hoe :
-Sasana tsara ny tanana alohan’ny hisakafo ;
-Sasana tsara ny legioma sy ny voankazo hisorohana ny « toxoplasmose » ;
-Atao masaka tsara ny hena sy ny trondro.

Raha misy mampanahy mikasika ny sakafo nohanina

Raha mahatsapa fa misy nampanahy na atahorana nitondra bakteria ny sakafo nohanin’ny bevohoka ka lasa nisy soritr’aretina niseho dia mila manantona mpitsabo avy hatrany. Aleo hatrany misoroka satria saropady ny fahasalaman’ny bevohoka sy ny zaza ao an-kibo.

Lire la suite

Articles Similaires