• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Vie Des Reines
Image
Sexualité & Mariage

Lehilahy na vehivavy tsy tia mijanona ao an-trano : Fambara olana misoko mangina !

26/12/2024 11:27 © Moov

"Fotsy varavarana" no fiantson'ny Malagasy ny lehilahy na vehivavy tsy tamàna ao an-tranony. Tsy mety mijanona ao an-tokantranony izy ireo na tsy miasa aza, fa mitady lalana hatrany. Mety hanimba ny tokantrano ve izany ?

Ny vehivavy matetika no tena voakasika amin'ilay teny hoe "fotsy varavarana", rehefa tsy mba mijanona ao an-trano mihitsy rehefa tsy miasa. Misy ireo variana any amin'ny namana, mitety tsena na mikarakara vatana. Tsy vitsy ihany koa nefa ireo lehilahy mitady aleha foana. Rehefa sendra mirava aloha nefa na faran'ny herinandro dia miaraka amin'ny namana na mamorona programa tsotr'izao.

Olana misoko mangiana

Tsy misy tokantrano rava tampoka izany. Ny olana na fisehoan-javatra andraisana fanapahan-kevitra dia "déclencheur" fotsiny ihany. Matetika dia efa misy fambara madinidinika eny, saingy tao tsy rarahiana izany, satria toa milamina ihany ny fiainana.
Azo lazaina fa "mangatsiaka" ny tokatrano rehefa tsy tamàna miaraka amin'ny toerana iray intsony ny mpivady. Tsy mahazo aina ny andaniny na ny ankilany, indrindra rehefa ao an-trano ny iray, ka aleo mandehandeha na mitady zavatra atao. Misy ireo mijanona ao an-trano ihany, saingy tsy mifampiteny, fa samy manao izay ataony eo. Raha adika tsotsotra dia tsy misy intsony ny fifampiresahana raha tsy amin'ny zavatra tsy maintsy resahina ihany. Toa tsy misy fifaliana izany rehefa samy ao an-trano satria matahotra ny hiady sy hifanorisory aza. Azo heverina ny hoe manana toetra "mitokatokana" ilay tsy tamàna ao an-trano na tsy mitovy "feeling" ny mpivady, saingy tokony hampanahy raha tsy liana hanokana fotoana ho an'ny vadiny sy ny ankohonany mihitsy izy.
Tsy azo lavina fa tsy vitsy ny ray na ny reny tsy mahalala zavatra betsaka ao an-tokantranony : ny fitoeran'entana sarobidy, ny fizotry ny fianaran'ny ankizy, ny fandaniana isam-bolana, ary indrindra ireo pitsopitsony mikasika ny vady na ny zanaka.

Olana azo vahana

Mety ho lasa fahazarana fotsiny ny hoe tsy dia tamàna ao an-trano i madama na i ramose. Raha misy izay tranga izay, tsara raha mifantoka amin'ny fitadiavana vahaolana miaraka, raha samy vonona ny andaniny sy ny ankilany. Atomboka amin'ny fifampiresahana izany, ka ambara eo avokoa izay tsapa rehetra ao an-tokantrano. Mety hisy handratra ny zavatra lazaina, saingy mety hanavotra ny tokantrano izany. Raha samy mahatsapa fa mifanalavitra ny mpivady, azo atao tsara ny mitady "activités" iombonana. Isaky ny faran'ny herinandro ohatra dia mivoaka kely ny renivohitra mampiaraka kely sady mitondra ny ankizy mandehandeha. Mampitombo sy mampiverina ny fifankatiavana ihany koa ny fifanampiana amin'ny fandaminana trano sy ny fandrahoana sakafo. Tsy midika akory izany hoe tsy mahazo mandeha irery, saingy amin'ny fotoana ifanarahana tsara ihany.
Raha sanatria ka tsy andraisana andraikitra ny fifanalaviran'ny mpivady, sarotra ny hanavotra ny tokantrano rehefa mandalo sedra mamay. Mety tsy ho rava ilay tokantrano saingy "mpivady anarana" no misy, izany hoe mijanona mpivady noho ny ankizy sy ny lalàna samihafa, fa tsy noho ny fitiavana. Ampahatsiahivina ny mpivady rehetra fa ohatra sady fitaratry ny zanaka, ka misy fiantraikany lehibe amin'ny ankizy ny fifampitondran'i dada sy i neny.

Lire la suite

Articles Similaires