Ireo fahadisoana mahazatra mandritra ny fifamaliana eo amin’ny mpivady
Tsy maintsy misy foana ny tsy fifanarahana ao anatin’ny fiainan’ny mpivady, mety izany noho ny resa-bola, fitaizana zanaka, fahasarota-piaro, na koa noho ny tsy fitovian-kevitra. Na izany aza, tsy ny fifamaliana mihitsy no tena manimba ny fifandraisana matetika, fa ny fomba itondrana izany. Misy fihetsika sasany izay ataontsika tsy nahy nefa mety hampitombo ny olana sy hamela ratra lalina ao am-po. Ireto àry ireo fahadisoana mahazatra mandritra ny fifamaliana eo amin’ny mpivady tsara sorohana.
Te-hanaporofo foana hoe manana ny marina
Isan’ireo fahadisoana mahazatra mandritra ny fifamaliana eo amin’ny mpivady ny fifantohana amin’ny fanamarinana ny hevitry ny tena fa tsy amin’ny fitadiavana vahaolana. Samy miezaka manaporofo ny maha-marina azy ary mampiseho fa diso ny ankilany.
Raha izany no mitranga dia lasa fifanandrinana ilay resaka fa tsy fiarahana mitady marimaritra iraisana. Tsy voahaja intsony ny fihetseham-po sy ny filan’ny tsirairay satria lasa ny fandresena amin’ny ady hevitra no tanjo. Mba hitandrovana ny filaminan’ny tokantrano dia tsara hatrany ny mitady vahaolana mahafa-po ny roa tonta toy izay mikendry ny ho mpandresy amin’ny ady hevitra.
Manapa-teny matetika
Fahadisoana mahazatra mandritra ny fifamaliana eo amin’ny mpivady ny fanapaha-teny ny iray raha mbola miteny izy. Na dia heverina fa efa fantatra aza izay holazainy, dia mety hahatonga azy hahatsapa ho tsy hajaina izany.
Ny fihainoana amim-paharetana dia manampy hahatakatra bebe kokoa ny olana ary mampiseho fanajana ihany koa. Matetika aza dia lasa mihena ny hatezeran’ilay miteny rehefa tsapany fa tena nohaino izy.
Mamerimberina ny hadisoana taloha
Indraindray ny fifamaliana momba ny zavatra nitranga androany dia lasa fitanisana ny fahadisoana rehetra nataon’ny iray nandritra ny taona maro. Ny famerenana hatrany ny olana efa lasa dia manasarotra ny famahana ny olana ankehitriny.
Izany ihany koa dia mety hahatonga ny vady hahatsapa fa tsy ho voavela heloka izy na oviana na oviana. Raha mbola maharary ny ratra taloha dia tsara kokoa ny miresaka azy amin’ny fotoana manokana fa tsy mampiasa izany isaky ny misy fifamaliana.
Manafika ny olona fa tsy ny olana
Rehefa lasa fanafihana ny maha-olona ny fifamaliana dia manjary lalina kokoa ny ratra ara-pihetseham-po. Tsara kokoa ny mitsikera fihetsika iray manokana fa tsy manome tsiny ny toetran’ny vady amin’ny ankapobeny.
Izany hoe ilay zavatra nahatezitra na nampalahelo no lazaina fa tsy manakiana ny toetran’ilay olona entina hanenjehana na hanambaniana azy. Ny fanaovana izany tokoa mantsy dia mety hiteraka ratram-po lalina.
Mampiasa ny fanginana ho famaizana
Misy olona tsy miresaka amin’ny vadiny intsony mandritra ny ora maro na andro maromaro rehefa avy nifamaly.
Marina fa ilaina indraindray ny maka fotoana hampangatsiahana ny saina sy ny fo. Saingy raha ampiasaina mba hampijaliana na hanasazy ny ankilany ny fanginana, dia vao mainka mampitombo ny elanelana sy ny tsy fifankahazoana.
Mitabataba na mampiaka-peo
Mora ny mampiaka-peo rehefa mafy ny fihetseham-po. Ny fitabatabana nefa matetika dia manakana ny fifanakalozan-kevitra.
Rehefa mahatsapa ho voakitakita ny olona iray dia manjary mifantoka amin’ny fiarovan-tena fa tsy amin’ny fihainoana intsony.
Ny fakana aina kely sy ny famerenana ny resaka rehefa milamina dia afaka misoroka ny fihitaran’ny toe-draharaha.
Tsy manaiky ny anjara hadisoana natao
Amin’ny ankamaroan’ny fifamaliana dia samy manana ny anjara birikiny amin’ilay olana ny roa tonta, na dia kely aza. Ny fanekena hadisoana dia tsy fahalemena fa mariky ny fahamatorana.
Indraindray aza ny teny tsotra toy ny hoe: “Azoko tsara fa mety nandratra anao ny fihetsiko” dia mahavaha olana lehibe kokoa noho ny adihevitra lava sy ny tsy fanekena ho diso. Manampy betsaka amin’ny fitandrovana ny tokantrano ny fifandeferana sy ny fifanajana.




