Fetin'ny faran'ny taona sy ny taombaovao : Tandremo ny trosa !
Saika nandray karama talohan'ny fetin'ny krismasy avokoa ireo mpiasa Birao. Tsy vitsy ireo efa somary nirobaroba ka nandany ny vola rehetra sahady tamin'iny fetin'ny krismasy iny. Mbola tsy maintsy atrehina nefa ny fetin'ny taombaovao sy ny volana janoary manontolo.
Mionona amin'izay ananana
Sarotra amintsika Malagasy ny mionona amin'izay ananana noho ny fisehoana ivelany. Maro mantsy ireo mitsidika fianakaviana, mandray vahiny, mamonjy fety isan-karazany. Tiana aseho ny havana sy ny namana matetika ny hoe "tafa" na "mahavita azy", hany ka na ny tsy misy aza dia foronina. Tsy misy te hanala baraka ny tenany sy ny ankohonany hoe tsy manan-katolotra, nefa ilaina ihany koa ny mampangina ny hambom-po. Ny vola eo an-tanana ihany no tokony ampiasaina fa tsy mitady any an-kafa. Tena marobe ireo fianakaviana bokan-trosa amin'ny fety ka lany andoavana trosa ny ampahany betsaka amin'ny karama volana janoary. Mbola hitohy volana maromaro nefa ny fahasahiranana raha izany no mitranga.
Tsy tsara mihitsy ny mampitaha ny tena amin'ny hafa na ny manodidina, satria samy manana ny fahafahany ara-bola. Ampianarina ihany koa ireo zanaka hahay hankasitraka izay eo an-tanana, fa tsy hitady fiainana tsy takatra akory.
Mikajy tsara ny fandaniana
Tsy azo ialàna ny famangiana ray aman-dreny sy ny fivoriam-pianakaviana. Azo atao tsara ny mikajy ny vola ampiasaina mialoha ny hiaingana ao an-trano : solika na saran-dalana, fandraisana anjara (cotisation), solombodiakoho, sns. Tsara raha homanina mialoha avokoa ny sakafo ilaina, mba tsy hisian'ny fandaniam-be. Mampidi-trosa ny mamoaka vola tsy ananana na tokony anaovana zavatra hafa amin'ny famalifaliana ny hafa na fisehosehoana tsotr'izao. Misy ohatra ireo tonga dia mamoaka vola ividianana toaka lafovidy mba "hanindriana" havana. Misy kosa mahavita mividy akanjo lafovidy na manofa fiara raitra mba hiheveran'ireo havana fa "lasa mpanakarena". Tsy azo lavina fa misy tokoa ireo fianakaviana mikiry mandeha amina toerana raitra tsy sahaza ny fahefa-mividy noho ny famatoran'ny tambazotra sosialy. Zary fifaninana mantsy ny fety amin'ny alalan'ireo sary aranty ho hitan'ny havana, namana sy mpiara-miasa.
Raha sanatria misy olana ara-bola noho ny antony samihafa, azo atao tsara ny tsy mandeha amina fivoriam-pianakaviana mety mandany vola loatra. Amporisihana kosa nefa ny mamangy ireo ray aman-dreny sy havana akaiky rehefa misy fahafahana.
Manao asa tselika
Mety hisy ny adidy tena tsy azo ialana, tsy fahasalamana na antony goavana tena ilàna vola mandritra izao fety izao. Raha mbola azo atao, tsy ny mitrosa mihitsy no vahaolana. Amporisihina ny rehetra mba hampiasa ny talenta sy ny fahafahana ananany mba hitadiavana vola malaky. Tsy vitsy ireo fianakaviana ohatra no misafidy hitady vola amin'ny alalan'ny fivarotana hanimasaka sy kitonotono eny amin'ireo toerana be mpitsangatsangana. Mahaliana ny mpividy ihany koa ny "vide-dressing" na "vide-grenier" hahafahana mandafo ireo fitaovana, akanjo sy kojakoja isan-karazany izay tsy ampiasaina intsony.
Mitaky fifehezantena ny fitantanam-bola amin'izao fety izao. Tsy tsara ny mirobaroba sy mitrosa na dia te hanao fety miavaka aza. Tokony tsinjovina mantsy ny fiainan'ny ankohonana aorian'ny fety. Tsy dia tsara loatra ny hanomboka ny taona miaraka amin'ny trosabe. Mirary soa ny rehetra.