Marary an-doha mandritra na aorian’ny firaisana ara-nofo : ndeha ho resahana !
Tranga mety hiseho ny hoe marary be tampoka ny an-doho mandritra na aorian’ny firaisana ara-nofo. Tena manenlingelina sy mampijaly ary mety hisy fiantraikany amin’ny fiainam-panambadiana tokoa izany rehefa miseho matetika. Fa inona tokoa no mahatonga ny aretin’andoha mandritra ny firaisana ara-nofo na aorian’ny « orgasme » ? Ahoana ny atao hampitoniana sy hitsaboana izany ?
Ny fisehon’ny aretin’andoha mandritra na aorian’ny firaisana ara-nofo
Misy karazany roa ny fomba fisehon’ny aretin’andoha mandritra na aorian’ny firaisana ara-nofo. Ny voalohany dia ny fahatsapana manaintaina eo amin’ny lafiny roan’ny karandoha ka ny ao aoriana no tena marary. Mitombo ilay fanaintainana rehefa miakatra ny fientanentanana ara-nofo na ny « excitation » an’ilay olona.
Ny fomba fisehony faharoa dia ny fahatsapana marary an-doha mialoha na aorian’ny « orgasme ». Ao amin’ny faritra ambadiky ny karandoha no manomboka ilay manaintaina avy eo miparitaka manerana ny loha rehetra.
Ireo antony mety mamparary an-doha mandritra na aorian’ny firaisana ara-nofo
Samy mety ho tratr’ity aretin’andoha mandritra na aorian’ny firaisana ara-nofo ity avokoa na lehilahy na ny vehivavy. Ireo olona manodidina ny roapolo sy ny efapolo taona matetika no tena voakasik’izany. Misy ifandraisany amin’ny fampiasam-batana na « effort » mandritra ny firaisana ara-nofo ny mahatonga ity aretin’andoha ity. Ireo olona efa mparary an-doha sy ireo manana tosidrà avo moa no tena betsaka tratr’izany.
Mbola tsy voafaritra mazava hatreto ny antony mahatonga azy. Araka ny tombatombana nataon’ireo mpikaroka dia mety nohon’ny fitombon’ny fihenjanan’ny hozatra na koa ny fitombon’ny « pression » ao anatin’ny loha mandritra ny « orgasme » no mety mitarika ilay aretin’andoha. Eo amin’ny olona sasany dia mety mahatonga azy io ihany koa ny fanaovana « masturbation ».
Ahoana ny atao hampitoniana sy histaboana izany ?
Ny fampiasana fanafody manala fanaintainana matetika dia ampy hampitoniana ny aretin’andoha mandritra na aorian’ny firaisana ara-nofo. Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy dia tsy dia tokony misy atahorana ity aretin’andoha mitranga mandritra na aorian’ny firaisana ara-nofo ity. Matetika moa dia misinda ho azy izy io. Ilaina ihany nefa ny mizaha fahasalamana raha miverina matetika na raha mafy be ilay aretin’andoha. Mety ho fambaran’aretina sarotra toy ny « hémorragie » ao amin’ny loha izany.