• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Yas Madagascar
Image
Vaovao

Fiaraha-miasa : Ceasar, ambasadaoro fahasivin’ny orinasa Yas Madagascar

05/12/2024 16:26 © Moov

Taorian’i Tence Mena dia tafiditra ao anatin’ny fianakaviamben’i Yas Madagascar ihany koa ny mpanakanto Ceasar. Tamin’ny fomba ofisialy androany 5 desambra 2024 no nanambarana fa ambasadaoro vaovaon’ity orinasa ity ny tenany. Tamin-kafaliana ihany koa no nandraisany izany niaraka tamin’ireo mpikambana ao anatin’ny tarika tao amin’ny Rooftop an’ny orinasa eny Andraharo.

Ambasadaoro voalohany hatramin’ny niovana ho Yas

Eo amin’ny lafiny zava-kanto dia efa misy an’i Tence Mena, Oladad, Wawa, Shyn, Denise, Lico Kininike, Dadilove ary Stephanie ireo ambasadaoron’i Yas Madagascar hatramin’ny fotoana naha-Telma ny orinasa. Araka izany, niampy an’i Ceasar izy ireo ary ity farany ity no ambasadaoro voalohany hatramin’ny niovana ho Yas Madagascar. Etsy ankilany dia tamin-kafanam-po no nandraisan’ity mpanakanto ity ny anaram-boninahitra nomena azy. « Misaotra eram-po ny orinasa Yas Madagascar. Tsy nampoiziko hoe izaho no ho antsoin’izy ireo satria tena mbola vao andalan’ny fampiakarana ny talentako aho. Avy any amin’ny ambany aho no antsoiny hiara-hiasa amin’izy ireo ary hinoako fa hampiakatra ny talentako ny fiaraha-miasa », hoy i Ceasar tamin-kafaliana. Nanambara moa ny tenany fa fanararaotra ho azy ity fiarahany miasa amin’ny orinasa Yas ity.

Tanora manan-talenta

Tanora vao erotrerony ity mpanakanto ity. Ny taona 2019 izy no nanomboka nisehatra teo amin’ny tontolon’ny mozika. Nanomboka tamin’izany ka hatramin’izao dia niakatra hatrany ny lazany sy ny talentany ka efa aman’aliny ny mpankafy azy amin’izao fotoana izao. Na eo amin’ny sehatry ny fihirana na eo amin’ny dihy dia samy hananany fahaizana avokoa izany. Antony lehibe izay nisafidianan’ny orinasa Yas Madagascar ity mpanakanto ity ireo. « Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny orinasa ny fampiroboroboana ny talentan’ny tanora ka itanay fa manana fahafahana hampiakatra hatrany ny lentany i Ceasar ka ho tohananay. Izy ihany koa hanampy anay afaka hanatratra io vina io », hoy i Henintsoa Randrianjatovonarivo, avy ao amin’i Yas Madagascar. Araka izany, isan’ny andrasana amin’ity mpanakanto ity ihany koa ny hijoro hisolo tena ny orinasa amin’izay sehatra alehany. Raha ho an’ity famaranana ny taona 2024 ity izao dia eto Antananarivo no hamirapiratan’ity Ambasadaoro vaovaon’i Yas Madagascar ity.

Lire la suite

Articles Similaires