Areti-nify : manampy amin’ny fampitoniana izany ny jirofo
Isan’ireo fanaintainana mampijaly tokoa ny areti-nify. Manaikitra tampoka moa io fanaintainana io ary matetika amin’ny alina izany no tena miseho. Raha toa ka marary be ny nify nefa mbola tsy afaka manantona mpitsabo nify dia afaka mampiasa jirofo mba hampitoniana ny fanaintainana. Araho eto ary ny mikasik’izany.
Inona no mahatonga ny jirofo mandaitra amin’ny fampitoniana ny areti-nify ?
Ny jirofo na « clous de girofle » dia episy na hanitra azo avy amin’ny « giroflier » izay hazo iray avy any Indonezia. Ampiasaina amin’ny fanaovana dite sy fanomezana tsiro ny sakafo izy io matetika. Marihana fa manana fiasa « antifongiques » sy « antiviraux » ny jirofo. Noho izany dia afaka ampiasaina hitsaboana olana ara-pahasalamana samihafa toy ny areti-nify, kohoka, aphtes, tsy fahalevonan-kanina… ity episy ity.
Ahitana singa iray atao hoe « eugénol » ao anatin’ny jirofo. Io singa io no manome ny ilay fofona mahery amin’ny jirofo izay mampatsiahy ny fofona faheno any amin’ny mpitsabo nify. Ny anton’izany dia satria ampiasaina amin’ny fanamboarana fanafody maro hitsaboana ny nify ny « eugénol ». Ity farany tokoa mantsy dia manana fiasa « anti-inflammatoires », « antibactériennes » sy « antalgiques ». Arak’izany dia afaka mamono ny bakteria mahatonga ny areti-nify sy mampihena ny fanaintainana izy io.
Ahoana ny fampiasana ny jirofo hampitoniana ny areti-nify ?
Maro ireo fomba afaka ampiasana ny jirofo hampitoniana ny areti-nify :
-Apetraka mivantana eo anelanelan’ny nify marary sy ny nify eo akaikiny ny jirofo 2 na 3 ary ketohana mba hivoaka ny « eugénol » ao anatiny. Io singa io no miasa amin’ny famonoana ny bakteria mahatonga ilay fanaintainana sy amin’ny fampitoniana izany.
-Anontsanana ny vava raha toa ka manaintaina be ilay nify ka tsy afaka miketoka ireo « clous de girofle ». Tsotra ny fomba atao. Ampangotrahana ni rano 1 vera avy eo bataina teo ambony afo. Arotsaka ao ny jirofo 4 na 5. Endrasana hangatsiaka io fangaro io avy eo esorina tao ireo jirofo. Ilay ranony azo io no ampiasaina hanontsanana vava mandritra ny 5 minitra. Afaka averimberina mba hiasa tsara.
-Osorana « huile essentielle de girofle » kely eo amin’ilay nify marary mba hampitsahatra ny fanaintainana. Alaina ny « coton tige » iray ary rarahana « huiles essentielles » kely eo amin’ilay « coton ». Ity farany no apetaka eo amin’ilay faritra marary amin’ny nify. Mila tandremana tsara ny fampiasana ity akora ity mba hisorohana ny mety ho vokadratsiny.