• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Expat'Immo
Image
Asa & Fianarana

Fitadiavana : misy karazany maro ny fidiram-bola na « revenus »

04/12/2024 11:08 © Moov.Mg

Tsy mitsahatra miakatra ny vidim-piainana ka mila mikaroka fidiram-bola samihafa ny tsirairay mba ahafahana misahana ny fandaniana ilaina amin’ny andavanandro sy manomana ny ho avy. Mba ahatongavana amin’izany dia mila fantarina ireo karazana fidiram-bola na « revenus » misy sy ny ilaina azy ireo tsirairay avy. Araho eto ary izy ireo.

Ny « revenus actifs »

Ny atao hoe « revenus actifs » dia ny fidiram-bola avy amin’ny asa atao amin’ny andavanandro. Mety izany ho karama azo amin’ny fiasana amin’ny orinasa, ny fanjakana na koa amin’ny olon-tsotra. Ity karazana fidiram-bola ity izany dia avy amin’ny asa sy ny ezaka atao isan’andro. Ilaina ny « revenus actifs » no izy misahana ny filàna andavanandro toy ny sakafo, hofan-trano… Misy « risques » lehibe nefa ny fianteherana tanteraka amin’izy ity satria raha sendra misy olana ny asa dia mety ho tapaka na ho foana io fidiram-bola io ka tsy hisy vola miditra ao an-trano.

Ny « revenus passifs »

Ny « revenus passifs » dia ny karazana fidiram-bola tsy mitaky ezaka na asa isan’andro vao afaka mampidi-bola. Matetika izy io dia azo avy amin’ny fanaovana « investissement ». Anisan’izany ny fampiasam-bola toy ny fividianana sy fampanofana trano, ny zana-bola azo amin’ny tahirim-bola any amin’ny banky… Tsy voatery ho fampiasana vola irery ihany nefa no ahazoana « revenus passifs » fa mety ihany koa hoe nametraka tetikasa iray izay tena nandany fotoana sy hery izay vao nampiditra vola. Ilaina ny manana ity fidiram-bola ity hanohanana ny « revenus actifs » sy hanomanana ny ho avy.

Ny « revenus capital »

Ny « revenus capital » dia ny fidiram-bola betsaka be tampoka. Mety izany avy amin’ny varotra tany, tetikasa, fiara… Izany hoe tonga dia lelavola betsaka no azo indray mandeha. Mazava ho azy fa tsy fidiram-bola mitohitohy toy ireo voalaza teo ambony izy ity fa mahalana be vao misy. Azo ampiasaina hanatsarana ny farim-piainana izy ity satria tonda dia vola be. Azo ahodina hahazoana « revenus passifs » ihany koa izy io ho an’ireo izay manana tetikasa na maniry mbola hampitombo hatrany ny vola miditra.

Lire la suite

Articles Similaires