• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Union Maraîchère De Genève
Image
DIY&Kolo-endrika&bika

Fikolokoloana ny hoditra sy ny volo : mitondra vokatsoa maro ny ovy

28/11/2024 06:06 © Moov.Mg

Mbola vitsy amintsika no mahafantatra fa azo ampiasaina hikarakarana ny hoditra sy ny volo ny ovy. Afaka ampiasaina amin’ny fotoana rehetra izy io, na ririnina na fahavaratra hikolokoloana ny fahasalamana sy ny hatsaran’ny hoditra sy ny volo. Andeha ary ho fantarina ireo vokatsoa azo avy amin’ny ovy sy ny fomba fampiasana azy io.

Mampihena ny « cernes » amin’ny tarehy

Matetika rehefa reraka na rehefa tsy ampy torimaso isika dia miseho ny « cernes » na ilay hoditra toy ny miroraka eo ambany maso. Ny ovy dia manampy amin’ny fampihenana malaky azy ireny. Tsotra ny fampiasana azy. Tetehina boribory eo ho eo amin’ny 1sm eo ny ovy. Atao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 10mn. Avy eo io silaka ovy io no apetaka eo ambonin’ny hodi-maso sady mikipy. Avela hiasa mandritra ny 20 minitra eo vao esorina. Mila atao matetika izany mba hampihena ireo « cernes ». Azo atao ihany koa ny mikiky ny ovy ka ilay ranony iny no hosorana amin’ny coton eo amin’ireo « cernes ».

Manazava ny endrika

Rehefa avy niari-tory nanao fety na tsy nahita-tory vokatry ny fiasana saina matetika dia lasa mivaloarika sy mihamanga ny endrika. Manampy manazava ny hodi-tava ny ovy. Azo ampiasaina ihany koa moa izy io raha tiana somary hazava kokoa ny lokon’ny tarehy. Tsy mila zavatra betsaka fa ovy sy voasary makirana dia ampy. Kikisana manify ny ovy 1 ary arotsaka ao ny ranona voasary makirana tapaky ny sotrokely. Afangaro tsara. Rehefa alohan’ny hatory dia hosorana io fangaro io amin’ny coton ny tarehy madio. Avela hilona 15 minitra dia kobanina amin’ny rano matimaty.

Manamafy ny taom-bolo

Azo ampiasaina hikolokoloana ny volo mba ho mafy, salama sy tsy hihintsana ny ovy. Mazava ho azy fa misy akora natoraly hafa afangaro aminy mba hahazoana « masque » hikarakarana ny volo. Toy izao manaraka izao ary ny atao. Kikisana ny ovy avy eo fihazana ny ranony. Io ranony io no alaina ary tapohana tantely 1 sotro fihinanana sy ditin’ny vahona 2 sotro fihinanana. Afangaro tsara. Io « masque » io no ahosotra tsara eo amin’ny volo sy ny hodi-doha. Somary horina kely. Avela hilona ora iray avy eo kobanina amin’ny rano matimaty. Aorian’izay dia sasana toy ny mahazatra ny volo. Atao indray mandeha isan-kerinandro ity fikarakarana ity mba hahazoana vokatra.

Lire la suite

Articles Similaires