Ireo akora natoraly hamongorana ny vitsika ao an-trano
Mirongatra indray amin’izao vaninandro mafana izao ny vitsika. Isan’ireo bibikely manelingelina sy sarotra fongorina izy ireny ao an-tokantrano ao. Efa misy moa ireo poizina famonoana vitsika hita eny amin’ny mpivarotra eny. Ho an’ireo tsy te hampiasa vokatra simika dia ireto manaraka ireto ireo akora natoraly azo ampiasaina hamongorana ny vitsika ao an-trano.
Ny vinaigitra fotsy
Akora natoraly fampiasa amin’ny fiadiana ireo karazana bibikely ao an-trano ny vinaigitra fotsy noho izy mahery fofona. Mandaitra ihany koa izy io amin’ny fandroahana ny vitsika sy ny fanakanana azy ireo tsy hiditra ao an-trano intsony. Tsotra ny atao. Afangaro ny vinaigitra fotsy sy ny rano mitovy fatra ary atao anaty tavoahangy « vaporisateur ». Ahontsana tsara hifangaro ary io no hatsifotra eo amin’ireo lalan’ny vitsika sy ny fidirany rehetra.
Ny karibonetra sy siramamy
Ny karibonetra dia akora natoraly manampoizina ny vitsika raha tafihinana izany ireto farany. Ny siramamy kosa dia manintona azy ireny. Mba hamongorana ireo bibikely ireo ary dia afangaro ny siramamy sy ny karibonetra mitovy fatra. Atao mifangaro tsara. Avy eo araraka kely amin’ireo toerana lalovan’ny vitsika matetika sy fitangoronany. Atao matetika izy io mba ho fongatra avokoa ireo vitsika ao an-trano.
Ny kanelina
Episy iray isan’ny tena mahery fofona ny kanelina ka tsy tian’ny vitsika. Mba handroahana azy ireo hivoaka sy hanakanana azy tsy hiditra ao an-trano dia rarahana vovoka kanelina eo amin’ireo lalam-bitsika sy ireo amin’ny manodidina ny varavarana sy varavarankely. Soloina isan’andro ireo vovoka kanelina mba handaitra tsara.
Ny ranona voasary makirana
Halan’ny vitsika ny « acidité » na ny harikivin’ny voasary makirana. Mba hamongorana ireo bibikely ireo dia rarahana ranona voasary makirana eo amin’ireo toerana fandalovana sy fitangoronany. Azo atao ihany koa ny manisy silaka voasary makirana eo amin’ireo toerana fidiran’izy ireo.