Ireo zavatra fampiasa amin’ny andavanandro tian’ny bakteria
Tsy hita maso nefa manodidina antsika eny ny bakteria. Misy ireo toerana tsy ahiana nefa tena hitoeran’izy ireny. Ny bakteria nefa dia mahatonga otrikaretina raha tafiditra ao amin’ny vatantsika. Ho fanamafisana ny fisorohana ny otrikaretina samihafa àry dia 'ndeha ho fantarina ireo zavatra fampiasa amin’ny andavanandro tena tian’ny bakteria sy mitahiry azy ireny.
Ny borosy nify
Fitaovana iray tena ilaina amin’ny fikolokoloana ny fahadiovana sy ny fahasalaman’ny nify ny borosy nify. Araka ny voka-pikarohana nataon’ny Université de Manchester nefa dia voalaza fa mety mitahiry hatramin’ny bakteria 10 tapitrisa izy ireny. Miraikitra ao aminy avokoa ny bakteria avy ao am-bava, ny toerana hiborosiana nify, ny tranon’ny dentifrice… Ny hamandoany rahateo moa dia vao maika tian’ny bakteria ka mampihombo azy ireo. Noho izany dia mila kobanina tsara amin’ny rano mafana ny borosy nify rehefa avy ampiasaina ary soloina vaovao isaky ny telo volana. Raha azo atao dia tsy ampirimina mitambatra ny borosy nify maro mba tsy hifamindra ireo bakteria amin’izy ireo.
Ny vola
Zavatra fampiasa amin’ny andavanandro isan’ny hitoeran’ny bakteria ihany koa ny vola, na ny vola taratasy izany na ny vola vy. Noho izy ireny mifindrafindra tanana matetika moa no mahatonga izany. Samy manana ny fahazarany ary indrindra ny fahadiovana nefa ireo olona mifandimby mandray sy mitahiry azy ireny. Arak’izany dia maro ireo karazana bakteria miraikitra eo amin’izy ireny. Mba hisorohana ny aretina mety entin’ireo bakteria àry, mila misasa tanana tsara amin’ny rano sy savony isaky ny avy mandray vola. Azo atao ihany koa ny mampiasa désinfectant.
Ny poketra
Tafiditra anatin’ireo zavatra fampiasa isan’andro tian’ny bakteria ihany koa ny poketra. Izy ireny tokoa mantsy matetika dia apetraka eny amin’ny toerana samihafa toy ny hoe amin’ny tany, ambony seza, ambony latabatra, ahantona amin’ny tahon’ny varavaran’ny WC… Tsy voadio matetika be nefa izy ireny ka mazava ho azy mitahiry bakteria maro. Ireo poketra hoditra moa no tena voakasik’izany. Mba hampihenana ireo bakteria ary dia mila diovina matetika ary avela hitapy andro tsara ny poketra. Tsara ihany koa raha ampofoina izy ireny fa tsy apetrapetraka.
Ny vata fampangatsiahana
Maro amintsika no mihevitra fa tsy tian’ny bakteria ny vata fampangatsiahana noho ny hatsiaka be ao anatiny. Tsara ho fantantra nefa fa maro dia maro ny bakteria mahazaka tsara ny hatsiaka. Misy mihitsy àry ireo mahazo aina sy mitombo betsaka amin’izany. Ny bakteria tafiditra anatin’ity fitaovana ity moa dia ireo avy amin’ny sakafo rehetra ampidirina ao anatiny. Mba hamerana ireo bakteria anaty vata fampangatsiahana dia sasana tsara avokoa ny legioma sy voankazo ampidirina ao. Diovina matetika ihany koa ny vata fampangatsiahana sady jerena raha ampy tsara ny hatsiaka ao anatiny.