Fanomezan-danja ny fako ho lasa angovo : Sehatr’asa azo trandrahana, mbola malalaka ny tsena
Mbola malalaka be ny sehatr’asa fanodinana sy fanomezan-danja ny fako eto Madagasikara. Azo ahodina ho lasa mpanome angovo ny fako betsaka izay tsy voatrandraka eto amintsika, ary manampy amin’ny ady amin’ny fandripahana ny ala izany. Nifampidinika teny Andrainarivo, androany 15 novambra 2024, ireo mpisehatra mivantana na tsia, amin’izay fanomezan-danja ny fako izay, fihaonana izay nokarakarain’ny AIDES Développement, ao anatin’ny tetikasa TWENex.
Orinasa madinika
Nisy fanadihadiana notanterahina tao anatin’ny tetikasa TWENex, tamin’ny fiandohan’ny taona 2024. Tamin’izany no nahitana fa miisa 80 ireo mpisehatra eo amin’ny fanomezan-danja ny fako mba ho lasa angovo, fa mety mbola mihoatra izay anefa. Ny 88% amin’ireo mpisehatra ireo dia miompana amin’ny fanamboarana arina ekôlôjika novokarina avy amin’ny fako avokoa, araka ny tatitry ny fanadihadiana nampitain-dRakotoarivony Sitraka, mpandrindra ny tetikasa TWENex. Naompana tamina mpamokatra 38 isa, miparitaka amin’ny Faritra 7 eto Madagasikara, ny fanadihadiana, ka fantatra tamin’izany fa latsaky ny 1 taonina isam-bolana monja ny vokatra vokarin’ny 60% amin’ireo mpisehatra ireo, izany hoe : azo lazaina ho orinasa madinika ny ankamaroan’ireo mpanodina fako ho lasa angovo eto amintsika. Etsy an-daniny anefa, mbola ny 97% amin’ny Malagasy no mampiasa kitay na saribao, handrahoana. Miantraika mafy amin’ny ala eto Madagasikara izany zava-misy izany.
Miainga ao an-tokantrano
Maro ny antony tsy mbola hahavitan’ireo mpisehatra amin’ny fanodinana fako hamokatra betsaka. Olana voalohany ny famatsiana ny fako, izay mbola manahirana ny fanangonana azy, na dia miparitraka aza izy ireny, indrindra ety an-tanàn-dehibe. Eo ihany koa ny tsy fahafahana mampiasa vola betsaka hampivelarana ity sehatra ity. Fa isan’ny sakana ihany koa, araka ny fanazavan# dRakotoarivony Sitraka, ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra, izay mety ho mbola tsy lavorary.
Afaka manampy ireo mpisehatra amin’ny fanodinana ny fako ho lasa angovo, ny fanavahan’ny isan-tokantrano ireo fako avy ao aminy, toy izay efa fanao mahazatra any ivelany, araka ny torohevitry ny tale teknika eo anivon’ny AIDES Développement, Ratsarasataharitera Erick. Efa mampihena ny fotoana lany sy ny vola lany amin’ny fanangonana ny fako, hoy izy, raha ny isan-tokantrano no efa manatanteraka izany fanavahana ny fako izany. Olana mipetraka ihany koa anefa ny vidin’ny saribao ekôlôjika, izay lafo kokoa raha mitaha amin’ny saribao namboarina tamin’ny hazo, izay mahazatra ny mpanjifa. Mandany saribao 1 hatramin’ny 3kg isan’andro ny tokantrano malagasy iray, handrahoana, hoy Ratsarasataharitera Erick. Raha mihena 1kg fotsiny isan-tokantrano anefa izany, dia efa hita ny vokany any amin’ny fanapahana ny ala.
Notanterahina ity atrikasa androany ity, mba ho fampihaonana sy fampifandraisana ireo mpisehatra eo amin’ny fanodinana sy fanomezan-danja ny fako ho lasa angovo. Tsy hijanona ho resaka fotsiny izany, hoy ny mpandrindra ny tetikasa TWENex, fa aorian’ny androany dia ho afaka mifampiresaka, mifampizara fahalalana, sy manorina fiaraha-miasa, ireo mpisehatra isan-tsokajiny.