Andro mafana : Fiarovana ny hoditra mba tsy ho main'ny masoandro
Ao anatin'ny vanim-potoana mafana tanteraka isika eto Madagasikara. Mandoro mihitsy ny masoandro, indrindra moa eo am-piandrasana ny filatsahan'ny orana natoraly. Inona avy ireo hevitra mety hiarovana ny hoditra mba tsy ho main'ny masoandro ?
Mitondra vitamina E ny masoandro. Tsy azo atao nefa ny mijanona ela loatra amin'ny masoandro satria raha may ny hoditra dia mety hitarika homamiadana izany.
Akanjo lava tanana nefa maivamaivana
Lasa fahazarana ny manao akanjo mampiseho faritra maro amin'ny vatana rehefa mafana toy izao, indrindra ho an'ny vehivavy. Tsy vitsy ireo mampiseho sandry sy fe, noho ny hafanana be loatra. Tsy ratsy akory izany, saingy tsara ihany ny miaro ny hoditra, indrindra raha voatery handeha na hijanona amin'ny faritra main'andro. Azo atao ny manao akanjo maivana lava tanana, mba tsy ho may ny sandry. Misy ihany koa ny pataloha maivamaivana tsy mahatsemboka mihitsy, nefa manakona ny fe sy ny ranjo. Amporisihina hatrany ny fisafidianana ny akanjo vita amin'ny "lamba coton", mba hisorohana ny fofona ratsy amin'ny vatana. Tena ilaina ihany koa ny satroka na ny elo.
Vokatra azo antoka miaro amin'ny masoandro
Mialoha ny hialana ao an-trano, rehefa avy misasa tsara iny, tokony asiana "crème anti-UV" ireo faritra rehetra azon'ny masoandro : tarehy, tanana, tongotra (raha manao kapa). Tokony safidiana tsara ny vokatra ampiasaina. Raha vokatra "copie/ contrefaçon" mantsy no ampiasaina dia mety hanimba hoditra izany ary hiteraka aretina maro. Aleo mividy vokatra azo antoka, na dia somary lafovidy aza.
Isaky ny hariva dia tokony ampitomboana kely ny fotoana sy ny rano handroana, mba hanalana ny loto sy amerenana ny lokon'ny hoditra. Somary ahodikodina sy orina amin'ny tanana ny vatana rehefa manosotra savony. Raha tsikaritra fa misy faritra lasa mainty na mihamatroka, azo atao ny manamboatra "masque" amin'ny papaye sy tantely, na amin'ny yaourt nature sy huile d'olive.
Sakafo mahatsara hoditra
Manamaina hoditra ny masoandro. Mila ampitomboina araka izany ny sakafo mahamandina ny hoditra. Ireo sakafo be vitamina A sy E no tena ilaina, ka tafiditra ao anatin'izany ny atody sy ireo vokatra azo avy amin'ny ronono ary ireo voankazo maina. Mahasoa ihany koa ireo legioma na legioma misy "béta-carotène" miloko loranjy, toy ny karoty, ny voatavo sy ny manga. Amporisihana ihany koa ny fihinanana legioma maitso toy ny laisoa, brocoli sy petit-pois. Mahasoa ny hoditra ihany koa ireo voankazo manankarena rano toy ny voatabia, ny melon, ny pastèque sy ny pamplemousse.
Tsy azo adino mihitsy ny fisotroana rano, ka 1,5 litatra farafahakeliny no ilain'ny vatana. Tokony misakafo maraina tsara (asiana voankazo) ny tsirairay vao miainga amin'ny maraina. Mahakely aina mantsy ny hafanana be loatra.