Manga : mitondra vokatsoa ho an’ny fahasalamana rehefa tsy be loatra
Efa tafiditra anatin’ny fotoana fahavokaran’ny manga isika ankehitriny. Voankazo iray mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana moa izy ireny noho izy manankarena vitamina sy mineraly. Tsara hatrany nefa ny mihinana azy amin’ny antonony satria raha hoanina be loatra sy matetika loatra ny manga dia mety misy fiantraikany ratsy indray.
Ireo vokatsoa azo amin’ny fihinanana manga
Voankazo isan’ny be mpankafy ny manga noho izy tsara tsiro sy izy manankarena otrikaina sy mineraly. Raha hoanina amin’ny antonony tokoa mantsy ny manga dia mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana noho izy :
Manankarena vitamina
Ny vitamina A hita ao amin’ny manga dia manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny maso ary miaro ny vatana tsy ho mora antitra sy andairan’aretina. Ny vitamina B9 sy ny vitamina C kosa dia mandray anjara maro amin’ny fiasan’ny vatana, fampitomboana ny hery fiarovana ary amin’ny fanamorana ny fahasitranan’ny fery.
Ahitana « potassium » amin’ny tahany ambony
Ny « potassium » dia isan’ireo mineraly tena ilain’ny vatana. Mandray anjara amin’ny fiasan’ny atidoha sy ny hozatra izy io. Avy amin’ny sakafo moa no tena ahazoan’ny vatana azy io ka ny manga no iray amin’ireo voankazo mitahiry azy amin’ny tahany ambony.
Mitahiry rano betsaka
Toy ny mananasy dia voankazo iray mitahiry rano betsaka ny manga. Manampy betsaka amin’ny fanomezana rano (hydratation) ny vatana ny fihinanana azy io. Ny fihinanana manga eo amin’ny 100g dia mitondra rano eo ho eo amin’ny 81,1g ao amin’ny vatana.
Manankarena fibra
Voankazo manankarena fibra ny manga. Ny fibra dia singa iray manampy indrindra amin’ny fandevonan-kanina ary manampy amin’ny fisorohana ny fitohanana.
Ireo vokadratsin’ny fihinanana manga be loatra
Mba hisitrahana ireo vokatsoa entin’ny manga ho an’ny vatana sy ny fahasalamana dia tsara raha hoanina amin’ny antonony izy ireny. Raha be loatra tokoa mantsy ny manga hoanina dia mety mahatonga :
Fikorontanan’ny taova fandevonan-kanina
Araka ny voalaza teo ambony dia voankazo manankarena fibra ny manga. Mazava ho azy fa raha hoanina be loatra izy ireny dia lasa mihoatra ny fiasany ka manjary mety manakorontana ny kibo. Raha izany no mitranga dia mety mangotika na feno rivotra ny kibo, mety hivalana…
Mampitombo ny tahan’ny siramamy anaty rà
Mitahiry siramamy natoraly betsaka tokoa ny manga ka izay no mahatonga azy ireny ho mamy be rehefa masaka tsara. Raha be loatra ny manga hoanina, indrindra rehefa indray mihinana, dia mety mampiakatra ny tahan’ny siramamy anaty rà izany, indrindra eo amin’ny olona misy diabeta.
Mety mampanao « réactions allergiques »
Misy karazan’olona sasany mety lasa manao « réactions allergies » amin’ny manga rehefa mihinana izany be loatra. Anisan’ireo mety hitranga ny hidihidy, fivontosana eo amin’ny hoditra, fahasemporana raha toa ka tsy mahazaka ny « protéines » sasany anatin’ity voankazo ity ilay olona.