• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marmiton
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aubergine : Mahatsara vavony sady mampazoto homana

09/11/2024 07:42 © Moov

Anisan'ireo legioma mahasalama ny Aubergine na dia tsy mahazatra firy aza ny fihinanana azy. Mahasoa tokoa izy io, indrindra ho an'ireo manana olana amin'ny fandevonan-kanina sy ireo tsy dia mazoto homana.

Inona avy ireo vokatsoan'ny Aubergine amin'ny fahasalamana ?

Manankarena "fibres" ny Aubergine, ka manamora ny fandevonan-kanina. Manatsara ny fiasan'ny vavony sy ny tsinay izy. Raha mahatsiaro mavesabesatra izany dia tsara raha asiana io legioma io ny sakafo hanina. Mampisokatra ny fahazotoan-komana ihany koa izy, ka tsy tokony ho gaga raha mahalany fatram-bary betsaka kokoa raha Aubergine ny laoka.
Ireto ny voka-tsoa hafa tsara fantarina :
-Miaro ireo "graisses" any amin'ny atidoha ;
-Mampitombo ny hery fiarovana ;
-Manampy ny vatana hitazona ny fatran'ny siramamy ho antonony ;
-Manala ny "choléstérol" ratsy ao amin'ny vatana ;
-Misoroka ny aretim-po sy ny fiakaran'ny tosi-drà ;
-Manampy ny tsirairay hitazona ny lanja idealy.
Tsy dia lafo ny Aubergine ary hita eny an-tsena rehetra eny. Mitovitovy vidy amin'ny Courgette io legioma io.

Ahoana ny fomba fikarakarana ny Aubergine ?

Maro ireo olona tsy dia mazoto mihinana aubergine satria tsy mahay mikarakara izany. Tsy dia sarotra nefa ny manome tsiro io legioma io. Amin'ny ankapobeny aloha dia tsy hanina manta izy fa ampangotrahana kely. Avy eo dia azo anaovana "beignet", na atao fangaro amin'ny "pizza" na "gratin" na "tarte". Raha atao laoka io legioma io dia tetehina efajoro ary afangaro amin'ny tongolo, tongologasy sy voatabia. Azo asiana totokena tsara, toy ny Courgette na ovy. Azo anaovana fangaro ampiasaina amin'ny masikita ihany koa ny aubergine.
Raha hanao entrée froide, azo atao "rouleau" ny Aubergine rehefa tetehina manify manaraka ny lavany. Ilay "farce" sisa no amboarina.

Lire la suite

Articles Similaires