• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Radiologie Haut Richelieu
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Radiologie » : ireo tsara fantatra

08/11/2024 11:01 © Moov.Mg

Nanomboka ny taona 2012 dia nomarihina isaky ny faha 8 novambra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny « radiologie ». Natao moa izany mba hampahafantarana ny maha zava-dehibe ny « imagerie médicale » amin’ny fitsaboana maoderina sy ny anjara asany lehibe amin’ny fitiliana sy fanaraha-maso ny marary. Andeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « radiologie ».

Inona no atao hoe « radiologie » ?

Ny « radiologie », izay antsoina ihany koa hoe « imagerie médicale » dia fitambarana teknika fanaovana diagnostika sy fitsaboana. Tafiditra anatin’izany ny « radiologie conventionnelle », ny « échographie », ny « scanner », ny « IRM » ary ny « mammographie ». Mifantoka amin’ny fampiasana « rayons X », « ultrasons » na « résonance magnétique » moa izy ireny mba ahazoana sary amin’ny antsipiriany ny anatin’ny vatan’olombelona. Izany dia mba ahitan’ny mpitsabo mazava ny mety ho olana ara-pahasalamana na aretina sy hamaritany ny fitsaboana sahaza.
-Arak’izany dia ilaina ny manatanteraka fitiliana amin’ny alalan’ny « radiologie » mba :
-Ahitana ny aretina toy ny fahatapahan’ny taolana, « tumeurs », tsimokaretina, aretin’ny fo… ;
-Anarahana ny fivoaran’ny aretina, ohatra amin’izany ny ahitana hoe nandaitra ve ny fitsaboana niadiana tamin’ny homamiadana izay natao ?;

Ireo karazana fitiliana « radiologiques »

Misy karazany maro ireo karazana fitiliana « radiologiques » ary samy manana ny lafy tsarany sy ny lafy ratsiny ny tsirairay amin’izy ireo. Santionany amin’izany ny :
-« Radiographie conventionnelle » izay isan’ny fitiliana tsotra sy fahita matetika indrindra. Izy io dia mampiasa ny « rayons X » mba hahazoana sary mainty sy fotsin’ireo taolana sy taova sasantsasany ;
-« Echographie » izay mampiasa « ultrasons » mba hamoahana sarin’ireo taova ao anaty, toy ny fo, aty na koa ny zaza ao am-bohoka ;
-« Scanner » dia mamoaka sary amin’ny antsipirihana ny ao anatin’ny vatana amin’ny alalan’ny « rayons X » ;
-« IRM » izay mampiasa « champ magnétique » mba hamoahana sara amin’ny antsipiriana ireo « tissus mous », toy ny atidoha na ny « moelle épinière ».

Ahoana ny fizotrin’ny « examen radiologique » ?

Ny ankamaroan’ireo « examens radiologiques » dia tsy marary ary tsy mila fiomanana manokana. Ny mety ilaina fotsiny dia ny manala ny akanjo misy vy avy eo midaboka eo ambony « table d’examen ». Ny teknisianina amin’ny « radiologie » no m

Lire la suite

Articles Similaires