« Festival des amphibiens » any Andasibe : Asongadina ny maha-manan-danja ny sahona
Tsy mahalala loatra ny maha-zava-manan'aina manan-danja ny sahona ny ankamaroan'ny Malagasy. Mitondra tombontsoa maro ho an'ny firenena anefa ny fisian'izy ireny, antony tokony iarovana azy. Tanterahina any Andasibe, Faritra Alaotra Mangoro, nanomboka omaly 7 novambra 2024, ny "Festival des amphibiens", hetsika ho fiarovana ny sahona.
Mitondra tombontsoa maro
Mampidi-bola eo amin’ny sehatry ny fizahantany ny sahona, satria isan'ny manintona ireo vahiny hitsidika ireo faritra arovana, toa an'Andasibe, hoy ny fanazavan'ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, tao anatin'ny kabary fanokafana ny andiany voalohany amin'ny "Festival des amphibiens", omaly tany Andasibe. Anisan’ny miavaka amin'izany ny "sahona mena", fantatra amin’ny anarana siantifika hoe : "Mantella aurantiaca", izay tsy fahita raha tsy ao amin'ny Distrikan'i Moramanga. Mihinana bibikely ihany koa ny sahona, ka manampy amin’ny fandrindrana ny habetsak’ireo biby madinika, izay mety hitondra aretina ho an’ny olombelona. Araka izany, mitondra tombontsoa ho an’ny fahasalamam-bahoaka ihany koa ny fisian’izy ireny. Noho ny maha-zava-dehibe ny sahona, dia lohahevitra nosafidiana hovoizina, mandritra ny hetsika izay maharitra roa andro ny hoe : « Fikajiana sy fanomezan-danja ny Sahona eto Madagasikara ho an'ny Fampandrosoana Lovainjafy».
Fanentanana ny tanora
« Carnaval », nandraisan’ireo mpisehatra isan-tsokajiny anjara, no nanombohana ny hetsika, omaly, nahitana ireo fikambanana isan-tsokajiny sy ireo mpianatra ao anatin’ny Distrikan’i Moramanga. Nitohy tamin’ny fanentanana teny anivon’ny sekoly izany. Isan’ny nentanin’ny minisitra Fontaine manokana moa ny tanora, mba hiaro ny tontolo iainana, izay mihasimba hatrany. Miantoka hoavy tsara kokoa ho azy ireo ny fikajiana ny zavaboahary. Taorian’izany dia nitsidika ny Tobin’ny Sahona, ivon-toerana tantanan’ny Vondron’Olona Ifotony Mitsinjo, ny minisitra. Fitahirizana sy fiarovana ny sahona, ivelan’ny toeram-ponenany voajanahary, ity ivon-toerana ity, ary anatanterahana fikarohana ho fiarovana ireo sahona ihany koa. Misy, ankoatra izay, ny famelabelaran-kevitra izay miompana amin’ny maha-manan-danja ny sahona, iarahana amin’ny manam-pahaizana manokana.
Tanjon’ny hetsika "Festival des amphibiens" ny fanamafisana ny fanentanana momba ny fiarovana ny sahona sy ny ala izay toeram-ponenany, ka notsindriana manokana tamin’ity hetsika ity ny ady amin'ny doro tanety sy ny doro ala.