« Harcèlement » any am-pianarana : tsy azo hamaivanina
Mety ahitana trangana « harcèlement » avokoa na eny an-dalàna, toeram-piasana, fiangonana, sekoly… Isan’ireo mila arahi-maso akaiky ankehitriny ny « harcèlement » any an-tsekoly. Miseho amin’ny endriny maro izany ary maro ny vokadratsy aterany, indrindra eo amin’ireo ankizy iharan’izany ?
Inona no atao hoe « harcèlement » any an-tsekoly ?
Ny « harcèlement » any an-tsekoly dia karazana herisetra sy fampijaliana atao amin’ny mpianatra iray eo anivon’ny sekoly. Mety ny mpiara-mianatra, ny mpampianatra na ankizy hafa miray sekoly no manao izany. Miseho amin’ny alalan’ny herisetra maro izy io. Matetika ity fampijaliana ity dia miafina ambadiky ny herisetra maro izay rehefa miangona dia miteraka hamenarana, fitokatokanana na fahatsapana ho voaenjika eo amin’ilay mpianatra iharan’izany. Maro dia maro ny mpianatra iharan’ny « harcèlement » any an-tsekoly ary indraindray dia miteraka vokadratsy toy ny ratra ara-tsaina na ara-batra, ary mety ho tonga hatrany amin’ny famoizam-po izany.
Ireo endrika samihafa ny « harcèlement » any an-tsekoly
Rehefa misy mpianatra iray adalaina na ampijalian’ny mpianatra iray na maro matetika dia izay no atao hoe « harcèlement » any an-tsekoly. Izany fanadalana na fampijaliana izany dia mety miendrika herisetra :
-Amin’ny alalan’ny teny, toy ny fanompana, fandrahonana, fanambaniana, fandrabirabiana… ;
-Ara-batana : fanosehana, fikasihan-tanana, fangalarana… ;
-Ara-tsaina : fanelezana tsaho, fanilikiliana, fanalana baraka…
Inona no maha zava-doza ny « harcèlement » any an-tsekoly
Misy fiantraikany ratsy eo amin’ilay mpianatra iharany ny « harcèlement » any an-tsekoly, ka anisan’izany ny :
-Halahelo, tsy fahatokisan-tena, tebiteby… ;
-Fahasarotana amin’ny fianarana, izany hoe lasa mihemotra ny vokam-pianarana, manapatapaka fianarana… ;
-Olana ara-pahasalamana toy ny aretin’andoha, tsy fahitan-tory, fahalainana misakafo na misakafo be loatra… ;
-Famoizam-po izay mety miteraka fitokatokanana, hevi-dratsy toy ny famonoan-tena…
Ahoana ny ahafantarana ny ankizy iharan’ny « harcèlement » any an-tsekoly
Tsy mora ny mamantatra ny trangana « harcèlement » any an-tsekoly satria mety mahatsiaro menatra na matahotra ny mpianatra iharan’izany ka tsy mahasahy miteny. Ireto manaraka ireto ary misy fambara eo amin’ny mpianatra iharan’ny « harcèlement » any am-pianarana tokony hanaitra ny :
-Fiovana amin’ny fihetsika, izany hoe lasa maloka sy malahelo, kizitina, tsy be resaka na mifandray amin’ny hafa toy ny teo aloha… ;
-Fatahorana handeha hianatra ;
-Fisian’ny ratra na mangana eo amin’ny vatana ;
-Fahaverezana na fahasimbana simba matetika ny fitaovam-pianarana na fitaovana manokana ;
-Fahasahiranana mahazo namana.