• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Fitsinjaram-Pahefana
Image
Vaovao

Andro manerantany ho an'ny Tanandehibe : Omen-danja ny tanora

01/11/2024 06:16 © Moov

Nankalaza ny Andro manerantany ho an'ny Tanandehibe na "Journée Mondiale des Villes" i Madagasikara omaly 31 oktobra.

Teny amin'ny IST Ampasapito no nanamarihan'ny Ministeran'ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany androany ny fankalazana ny Andro manerantany ho an'ny Tanandehibe. Ny lohahevitra nobanjinina moa dia ny hoe "Ny tanora manana andraikitra hitarika ifotony ny fiantrehana ny fiovaovan'ny toetr’andro eny anivon'ny tanan-dehibe salantsalany eto Madagasikara".

Fifanakalozana

Nisy ny famelabelaran-kevitra narahin'adihevitra ka maro ireo nandray anjara : ny Ministera tompon'andraikitra ireo tanora mpianatra, ireo mpampianatra, ny sehatra tsy miankina, ireo matihanina amin'ny sehatrin'ny fanajariana ny tany (Mpandrefitany, ireo mpisehatra an-tanàn-dehibe rehetra), ireo Mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola, ka niompana tamin'ny lohahevitra hoe "Fanamby sy fanararaotra ny Tanan-dehibe salantsalany eto Madagasikara" sy "Ny fahaiza-miatriky ny Tanan-dehibe salantsalany manoloana ny fiovan'ny toetr'andro" mba hampirisihana ireo tanora ho vonona handray anjara amin'ny fahaiza-miatrika ny tanàn-dehibe sy hananganana hoavy maharitra sy tsy mitanila.
Ireto avy ireo tanjona tamin'ity fankalazana ity :
-Fanomezana ny anjara andraikitry ny tanàna salantsalany amin'ny fampandrosoana ny faritra manerana ny firenena.
-Fanetsiketsehana sy fanentanana ireo mpisehatra an-tanàn-dehibe amin'ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe mba hampiroboroboana indray ny sehatra.
-Fampitomboana ireo mpiara-miombon'antoka sy ny sehatra tsy miankina mba hikatroka amin'ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe, indrindra ny tanàna salantsalany.
-Fanamafisana ny hetsika fahaiza-miatrika ny tanàn-dehibe mba hahatongavana amin'ny fampandrosoana maharitra.
-Fanentanana ireo mpisehatra an-tanàn-dehibe amin'ny fanavaozana ny sehatra tanàn-dehibe.

Lire la suite

Articles Similaires