Halloween : fa inona tokoa moa ny tantaran’ity fety avy any ivelany ity ?
Manomboka malaza eto amintsika izao ny fankalazana ny « Halloween ». Efa maro ireo hetsika isan-karazany entina hanamarihana ity fety avy ivelany ity. Betsaka ireo liana amin’izany nefa maro ihany koa ireo tsy mankasitraka azy ity noho izy heverina fa mifanohitra amin’ny maha kristianina. Fa inona tokoa moa ny Halloween ? Avy aiza io fankalazana io ary inona no fomba entin’ireo vahiny hanamarihana azy io ?
Inona no atao hoe Halloween ?
Ny Halloween dia fety iray ankalazaina isan-taona ny alin’ny 31 oktobra. Ry zareo Amerikanina moa no tena mankalaza azy io amin’ny fomba makotrokotroka fa maro ihany koa nefa ireo firenena hafa manaraka izany. Araka ny filazan’ireo mpandalina tantara avy any ivelany dia avy amin’ny « fête celtique de Samhain », nankalazaina efa mihoatra ny 2500 taona, no nihavian’ny Halloween.
Teo amin’ireo mponina « Celtes », ny « Samhain » no manamarika ny faran’ny fahavaratra sy ny fiandohan’ny ririnina izay vanim-potoana nampifandraisin’izy ireo amin’ny fahafatesana. Noheveriny fa amin’io alina io dia miala ny sakana manasaraka ny tontolon’ny velona sy ny maty mba hahafahan’ireo fanahin’ny miverina eto an-tany. Misy arak’izany ireo karazana « traditions païennes » na fombafomba nataon’izy ireo hanomezany voninahitra ireo razana sy hifandraisana amin’ny fanahin’ny maty.
Anisan’ireo fombafomba ireo ny fanaovana afo eo ankalamanjana hanalavirana ireo fanahy ratsy, ny faonaovana « déguisements » miendrika biby na mampatahotra hampitahorana ireo fanahy ratsy, ny fangatahan’ny mahantra sakafo amin’ireo mponina atakalo vavaka na hira kely… Rehefa nandeha ny taon-jato maro dia lasa nifangaro ny fomban-drazana « Samhain » sy ny finoana kristianina ka niteraka ny Halloween. Izany dia nitarika fombafomba fanampiny toy ny fanomezam-boninahitra ireo martiora sy ireo olo-masina, ny fanaovana « déguisements » miendrika anjely, olo-masina na devoly, ny fivavahana ho an’ny fanihin’ireo maty…
Ny fankalazana ny Halloween ankehitriny
Niova sy nivoatra miandalana teny ireo fomba fanamarihana ny Halloween ary ankehitriny manjary lasa fety « folklorique » miompana kokoa amin’ny fialana voly, lanonana sy fampifaliana ny ankizy izany. Nanjary lasa fety malaza maneran-tany moa izy io ka efa maro ireo firenena manao ireo karazana hetsika sy fialamboly hanamarihana izany.
Raha ny any ivelany manokana dia isan’ireo fanamarihana ny Halloween ny :
-Fandrafetana voatavo ho fahatsiarovana ny tantaran’i Jack-o'-lanterns izay sady maneho ny hazavana anatin’ny alina maizina no maneho ny fanahin’ireo maty ;
Fanaovana « déguisements » mampatahotra, toy ny biby, mpamosavy, angatra, « monstres »… Misy ihany koa nefa ireo « déguisements » hafa tsy mampatahotra toy ny anjely… ;
-Fanaingoana ny trano sy ny arabe amin’ny endrika mampatahotra ;
-Fanamboarana vatomamy ao an-trano sy fizarana izany amin’ireo ankizy tonga mandondoana mangatak’izany ;
-Fitantarana tantara mampatahotra ao an-trano ;
-Fikakarakana fety anaty toerana nohaingoana natao mampatahotra ary manao « déguisements » mifanaraka amin’izany ireo olona tonga mifety ao ;
-Fitsidihana « maison hantée ».
Raha ny eto Madagasikara manokana dia ireo fety anaty toerana nohaingoana natao mampatahotra sy ny fanaovana « déguisements » mifanaraka amin’izany no efa mihamaro. Ankoatra izay dia efa misy ihany koa ny fitsidihana « maison hantée ». Mbola tsy tena mahasarika olona be loatra nefa izany eto amintsika satria mbola maro ireo mihevitra fa fetin-devoly na mifanipaka amin’ny finoana kristianina ny Halloween.