• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Ady amin’ny kolikoly : Hiara-hiasa ny Antenimierampirenena sy ny BIANCO

31/10/2024 17:04 © Moov

Mbola ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly hatrany ny eto Madagasikara. Ankoatra ireo andrim-panjakana toy ny Ministera isan-tokony dia miditra an-tsehatra ihany koa ny Antenimierampirenena.

onga nanentana ny Solombavambahoaka tetsy Tsimbazaza ny avy ao amin’ny Birao Mahaleotena Iadiana amin'ny Kolikoly (BIANCO) ny amin’ny handraisan’izy ireo anjara amin’ny ady amin’izany kolikoly izany. Naneho ny fahavononany hiroso amin'izany ireo olom-boafidy mba ho tonga mpandray anjara mavitrika amin'ny ady amin'ny kolikoly.

Fanamafisana fahaiza-manao

Tanjon’ny fiaraha-miasa ny ady amin’ny kolikoly eny anivon’ny toerana hiasany eny an-kianja na ao anatin’ny toeram-piasany ao amin’ny Antenimierampirenena. Araka izany, hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo Solombavambahoaka amin’ny fomba fisorohana ny kolikoly, miaraka amin’ny fanohanan’ny BIANCO. Vina ao anatin’izany ny hampiroborobo ny kolontsain’ny fahitsiana sy ny fangaraharana eo anivon’ny Antenimierampirenena. Tanjona ny hanairana ny sain’ireo solombavambahoaka ny amin’ny fenitra etika sy arak’asa izay tsy maintsy mitarika ny fitondran-tenany. Andrasana araka izany ao anatin’io asa io ny fiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fitantanana tsara ny Antenimierampirenena. Raha tsiahivina, isan’ireo andrim-panjakana hanjakan’ny kolikoly ity toerana ity ka anton’ny fanamafisana fahaiza-manao mba hahafahana manatratra izany tanjona izany.

Fanentanana

Ho amin’ny fampandraisana andraikitra hatrany dia noentanina ihany koa ireo Solombavambahoaka. Naverina nampahafantarina azy ireo ny fisorohana ny kolikoly sy ny fomba tsara tokony horaisina mba hampiroboroboana ny fahamarinana eo anivon’ny andrim-panjakana. Natao ihany koa hampitaovana azy ireo hampiditra ireo foto-kevitra ireo amin’ny asany andavanandro izany fanentanana izany. Marihina fa ny Tale Jeneralin'ny BIANCO, Razakamanantsoa Gaby Nestor mihitsy no nidina an-tsehatra tamin’izany fanentanana izany.
Raha tsiahivina moa dia mbola ambony hatrany ny trangana kolikoly eto Madagasikara izay miseho amin’ny sehatra maro. Farany teo dia nisy ireo fakan-kevitra isam-paritra natao mikasika ireo sehatra tena iharan’ny kolikoly toy ny fananan-tany, ny fitrandrahana harena voa-janahary, ny fandraisana mpiasa-panjakana, ny fitsarana sy ny fitantanana ny fonja sy ny sehatra maro hafa. Ny valin’ireo fakan-kevitra ireo no ho harafitra ho politikam-panjakana hiadiana amin’ny kolikoly rehefa avy eo. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny Antenimierampirenena.

Lire la suite

Articles Similaires