Sakafo be protéines : ilain’ny vatana fa tsy tsara raha be loatra
Singa iray ilaina amin’ny fiasan’ny vatana ny protéine. Hita ao anatin’ny sakafo moa izy io. Raha be loatra nefa ny protéine hoanina dia mety miteraka vokadratsy eo amin’ny fahasalamana. Andeha ary ho resahana eto ny ilain’ny vatana ny protéine sy ny mety ho fiantraikan’ny fihinanana azy be loatra.
Inona no ilain’ny vatana ny protéine ?
Ny protéines dia « macronutriments » mitana anjara lehibe amin’ny fiasan’ny vatana. Ilaina izy ireo amin’ny :
-Fitomboana sy fanavaozana ireo « tissus » mandrafitra ny vatana, toy ny hoditra, volo, hozatra, hoho… ;
-Famokarana ny « enzymes » toy ny horomonina sy ny hery fiarovana ;
-Fitondrana ny « oxygène » sy ireo otrikaina anatin’ny rà ;
-Famokarana ny hery rehefa ilaina.
Marihana fa ny protéines dia voarafitra « acides aminés ». Ny sasany amin’ireto farany izay atao hoe « essentiels » dia tsy vokarin’ny vatana fa tsy maintsy entin’ny sakafo. Isan’ireo sakafo manankarena protéines ny hena, ny trondro, ny atody, ny vokatra azo avy amin’ny ronono, ny voamaina sy ny céréales. Mila lanjalanjaina hatrany nefa ny fihinanana ny sakafo be protéines mba hisitrahana ireo soa entiny ho an’ny vatana. Izany hoe tsy atao kely loatra nefa tsy be loatra ihany koa.
Inona no mety ho vokadratsin’ny fihinanana protéines be loatra ?
Ny fihinanana protéines be loatra dia mety hiteraka vokatra tsy irina maro eo amin'ny fahasalamana, toy ny :
Olana na aretin’ny voa
Ny fihinanana sakafo be protéines matetika sy be loatra dia mampitombo ny asan’ny voa. Rehefa ela ny ela dia mety miteraka aretin’ny voa toy ny « insuffisance rénale » izany. Avo kokoa ny « risques » mety hitrangan’izany eo amin’ny olona efa misy olana ny voa. Lasa vao maika mampihombo ny aretina ny fihinanana sakafo be protéines.
Fikorontanan’ny fandevonan-kanina
Mety mampikorontana ny « microbiote » anatin’ny tsinay ny fihinanana sakafo be protéines loatra, indrindra ireo protéines avy amin’ny biby. Izany dia mety mahatonga « ballonnements », fivalanana, mangotika… Ankoatra izay dia mety mampitohana izany satria matetika ny sakafo be protéines dia tsy dia ahitana fibra.
Mampitombo ny « risques » ho tratran’ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà
Ny sakafo be protéines avy amin’ny biby, toy ny hena mena sy ny « charcuteries », dia manankarena « cholestérol » sy tavy atao hoe « graisses saturées ». Ny fihinanana azy ireny be loatra dia mampitombo ny « risques » ho tratran’ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà, toy ny fiakaran’ny tosi-drà, ny fahatapahana na fahatsentsenan’ny lalan-drà…