• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahana eto ny mikasika ny atao hoe « nanisme »

25/10/2024 16:24 © Moov.Mg

Marihana isan-taona mandritra ny volana oktobra ny andro iraisam-pirenena hoan’ny zina na ny « nanisme ». Ny zina na ny « nanisme » dia fahafohezana ara-batana latsaka lavitra ny refy ara-dalàna. Maro eto amintsika no tsy mahafantra mazava ny mikasika ity toe-batana ity ka manilikilika na mandrabiraby ireo olona voakasik’izany. Andeha ary ho fantarina ny atao hoe zina, ny antony mahatonga azy sy ireo fandraisan-tanana misy.

Inona no atao hoe zina na « nanisme » ?

Ny zina na ny « nanisme » dia ny fananana vatana fohy lavitra mihoatra ny ara-dalàna. Izany hoe tsy mihalava toy ny olona rehetra ny vatana rehefa lehibe fa mijanona ho fohy. Ity fahafohezana ara-batana ity dia vokatry ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fitomboana na « trouble de la croissance ». Ny olona tratry ny « nanisme » dia antsoina amin’ny teny frantsay hoe « nain » na « naine ». Tsara ny manamarika fa tsy aretina iray manokana ny « nanisme » fa fitambarana aretina mihoatra ny 400 samihafa izay samy manana ny fisehony.

Inona no antony mahatonga ny « nanisme » ?

Maro ireo antony mety mahatonga ny zina na ny « nanisme ». Ny antony matetika indrindra dia ny fiovana eo amin’ny fototarazo na « mutation génétique » antsoina hoe « achondroplasie » izay misy fiantraikany eo amin’ny fitomboan’ny taolana. Mety miteraka fikorontanana eo amin’ny taolan’ny tarehy ihany koa izany.
Ankoatra izay dia misy ireo antony hafa fantatra mety mahatonga ny zina, toy ny :
-« Dysplasie épiphysaire multiple » izay tsy fahatomombanana eo amin’ny « cartilage » amin’ireo taolana lava na « os longs » ;
-« Ostéogenèse imparfaite » izay aretin’ny fototarazo mamparefo ny taolana ;
-Hakelin’ny vatana izay manara-batana ;
-« Syndrome de Turner » izay aretin’ny fototarazo vokatry ny fisian’ny « chromosome X » eo amin’ny vehivavy ka mahatonga ny fahafohezana ara-batana ;
-Tsy fahampian’ny tsiry mpanentana miasa amin’ny fampitomboana (croissance) ;
-« Scoliose » izay fiovam-bika ny hazondamosina mahatonga ny fahafohezana.

Ireo fambara ny « nanisme »

Tsy voatery mitovy ny fisehon’ny « nanisme » na ny zina eo amin’ny olona voan’izay. Miankina amin’ny antony mahatonga azy ireo fambara. Amin’ny ankapobeny ny olona tratry ny zina dia fohy kely ary mety misy fahasamihafana hafa miaraka amin’izany toy ny :
-Fahafohezan’ny rantsam-batana, izany hoe fohy noho ny tokony ho izy ny zandry sy ny tongotra ;
-Lehibe tsy mifanaraka amin’ny haben’ny vatana ny loha ;
-Misy tsy fahatomombanana eo amin’ny endriky ny taolana, izany hoe mety mivokoka ny hazon-damosina, misy fahasamponana ny vanintaolana, mikorontana ny fanirin’ny nify… ;
-Misy olana ara-pahasalamana izay miankina amin’ny anton’ny « nanisme ». Anisan’izany ny aretin’ny fo, ny taovam-pisefoana, ny voa…

Inona ny fandraisan-tanana misy hoan’ny olona « nains » ?

Ireo fandraisan-tanana ny « nanisme » dia miompana indrindra amin’ny famerana sy fampihenana ny mety ho fahasarotana. Anisan’ireo fitsaboana misy ny :
-Fandidiana mba hanintsiana ireo tsy fahatomombanan’ny taolana sy hampitomboana ny halavana ;
-Fampiasana tsiry mpanentana mampitombo (hormones de croissance) handrisihana ny fitomboan’ny vatana ;
-Fampiasana fitaovana manokana hitazomana ny vanintaolana sy hanatsarana ny fahafahana mihetsika.
Marihana fa miankina amin’ny lafin-javatra maro no ahafahana mamaritra ny karazana fitsaboana sahaza ny olona tratry ny « nanisme ». Ny mpitsabo irery ihany no mahafantatra ny fandraisan-tanana sahaza ny tsirairay.

Lire la suite

Articles Similaires