• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pascal Nourtier
Image
Fahasalamana&Sakafo

Voaroy hazo : voankazo mitondra vokatsoa maro ho ny fahasalamana

23/10/2024 15:36 © Moov.Mg

Voankazo isan’ny mora maniry sy vokatra betsaka eto amintsika ny voaroy hazo na ny « mûres ». Sady mamy sy tsara tsiro izy ireny no mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana. Araho eto ary ireo antony tokony hinanana voaroy hazo matetika.

Ireo vokatsoa azo amin’ny fihinanana voaroy hazo

Toy ny voankazo rehetra dia mitahiry otrikaina sy singa natoraly ilain’ny vatana sy ny fahasalamana ny voaroy hazo. Anisan’ireo antony tsara hinanana azy matetika noho izy :

Manana fiasa « antioxydants »

Ny voaroy hazo dia manankarena « anthocyanines » izay « pigments » natoraly manome loko voloparasy matroka azy. Ireo singa ireo dia manana fiasa « antioxydants » ka miaro ny selan’ny vatana amin’ny fiantraika ratsin’ny « radicaux libres ». Ankoatra izay dia mampihena ny « risques » mety hahavoa ny areti-mitaiza ihany koa izy ireny.

Manampy amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny fo

Voankazo iray mitahiry fibra amin’ny tahany ambony sy singa « anti-inflammatoires » ny voaroy hazo. Ny fihinanana azy matetika arak’izany dia mandray anjara amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny fo. Manampy amin’ny fanalana ny « cholestérol » ratsy anatin’ny vatana izany ary mandrindra ny tosiky ny rà.

Manamora ny fandevonan-kanina

Ny fibra anatin’ny voaroy hazo dia manamora ny fandevonan-kanina sy manatsara ny fiasan’ny tsinay. Arak’izany dia miaro amin’ny fitohanana ny fihinanana azy matetika. Manampy amin’ny fandanjalanjana ny « flore intestinale » ihany koa izany.

Manamafy ny hery fiarovana

Manankarena vitamina C ny voaroy hazo. Ity vitamina ity dia mandray anjara lehibe amin’ny fanamafisana ny hery fiarovana. Izany dia manampy ny vatana hiady amin’ireo otrikaretina.

Ahoana ny fomba atao hisitrahana ireo vokatsoa entin’ny voaroy hazo ?

Maro ny fomba afaka hinanana ny voaroy hazo. Azo hoanina amin’izao, andrahoina atao « confiture », atao « jus » na « smoothies ». Afaka ampiasaina hanaingoana na hanomezana tsiro ireo karazana « desserts » fanao ao an-trano ihany koa izy ireny. Mba hisitrahana ireo vokatsoa entin’ny voaroy hazo nefa dia tsara raha hoanina amin’izao izy ireny mba ho voatahiry ireo otrikaina ao aminy. Raha hanao ranom-boankazo aminy dia tsy asiana siramamy satria efa mamy ity voankazo ity.
Toy ny zavatra rehetra nefa dia mila hoanina amin’ny antonony ihany ny voaroy azo. Raha be loatra dia mety hampiakatra ny tahan’ny siramamy anaty rà noho izy mamy. Etsy andaniny, mety hampivalana ihany koa noho izy be fibra.

Lire la suite

Articles Similaires