• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Ady amin’ny fandotoana : Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra ny MEDD

07/10/2024 10:32 © Moov.Mg

Lazain'ny ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) ombieny ombieny, fa tsy vitany irery ny fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara, fa asa iaraha-manatanteraka amin'ny rehetra. Omaly 6 ôktôbra 2024, tao anatin'ny hetsika andro iray tsy misy fandotoana, dia nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana tamin'ireo mpisehatra isan-tsokajiny, ho mariky ny fiaraha-mientana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana izay.

Fifamoivoizana maitso

Ny ady amin’ny fandotoana ny rivotra, amin’ny fampiasana ireo fiara fitaterana tsy manaraka ny fenitra ara-tontolo iainana, no isan’ny niompanan’ny fifanaraham-piaraha-miasa notontosaina omaly. Isan’ny manana andraikitra goavana amin’izany ny Zandarimariam-pirenena, antony nirosoan'ny MEDD tamin’ny fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny Delegasionan'ny Ministera miandraikitra ny Zandarmaria. Voalaza ao anatin’izany fifanarahana izany fa mandray anjara mavitrika amin'ny fanaraha-maso ny famoahana entona eo amin’ireo fitaterana, ny Zandary, ary manatanteraka fanentanana ny mpampiasa lalana, mahakasika ny fiantraikan’ny entona amin’ny rivotra iainana. Ny MEDD kosa no mamolavola ny rafitra ara-dalàna momba izany sy manome fahaizana ara-teknika ho an’ireo Zandary. Tsy mifanalavitra amin’izany ny fifanarahana natao teo amin’ny MEDD sy ny Antokon-draharaha misahana ny Fitaterana an-Tanety (ATT), fa miompana amin’ny fampiroboroboana ny angovo tsy mandoto eo amin'ny sehatry ny fitaterana ihany koa.

Fikarohana hitondrana vahaolana

Eo anatrehan’izay tanjona, hananana fifamoivoizana maharitra izay indrindra, dia nisy ihany koa, omaly, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny MEDD sy ny orinasa Vmoto. Tamin’izany no nanoloran’ity orinasa ity, môtô elektrika miisa 2, ho an’ny MEDD. Hanome fampiofanana mahakasika ny fikojakojana izany ihany koa ny orinasa. Hampiasain’ny MEDD amin’ny asa fanaraha-maso ny tontolo iainana ireo môtô roa ireo.

Eo amin’izay fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina izay hatrany dia hanohana ny sekoly fampianarana ambaratonga ambony, Kajy University, ny MEDD, amin’ny fanatsarana ny fampiofanana sy ny fikarohana momba ny tontolo iainana. Araka izany, hanamafy ny fanabeazana momba ny tontolo iainana atolony ity sekoly ambony ity, ary handrisika ny fikarohana momba ny olana nasiônaly eo amin’ny lafiny fandotoana, fiovan'ny toetr'andro, fitantanana ny fako, sns… Etsy an-daniny, nisy ihany koa, omaly, ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny MEDD sy ny Centre National de Recherches Industrielle et Technologique, izay hifantoka amin’ny fanamafisana ny fikarohana hitondrana vahaolana amin’ny fandotoana, izay miantraika amin’ny sehatry ny fambolena, ny fizahantany, ny fitaterana ary ny indostria.

Ireo fifanarahana notanterahina omaly ireo dia nahafahana nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra rehetra momba ny tontolo iainana, hoy ny minisitry ny MEDD, Fontaine Max Andonirina.

Lire la suite

Articles Similaires