• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 30 septambra hatramin'ny 6 oktobra

07/10/2024 00:06 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 30 septambra hatramin'ny alahady 6 oktobra

Antananarivo Renivohitra # Nanomboka ny fanamboaran-dalana

Tafiditra tao anaty fandaharan'asan'ny PDS vaovao, Harilala Ramanantsoa, ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra. Niara-niasa ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Ministeran'ny Asa Vaventy, ka notontosaina tamin'iny herinandro iny ny asa fanamboarana ny ampahan-dalana Bel'Air, Ampandrana, Rasalama. Tsy fanapenana vonjimaika na tip-top no natao fa asa goavana, izany hoe noepahina mihitsy ny arabe teo aloha. Efa tontosa ny asa eny Ampandrana, ary mitohy kosa ny eo Antsakaviro hatreny Bel'Air. Antenaina fa hihena ny fitohanan'ny fifamoivozana.

OIF # Nanotrona ny fihaonana an-tampony faha-19 ny filoha mivady

Anisan'ireo firenena 88 mpikambana ao amin'ny « Organisation Internationale de la Francophonie » (OIF),vondrona iraisam-pirenena manodidina ny teny, i Madagasikara. Nahazo fanasana i Madagasikara tamin'ny fihaonana an-tampony faha-19, ka ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady no nanotrona ny fanokafana, tao Villers-Cotterêts. Nandritra izany lanonam-panokafana izany no nandraisan'i Emmanuel Macron, filoham-pirenena Frantsay, ny fitantanana ny OIF. Noraisin'ny filoham-pirenena Frantsay manokana moa ny delegasiona Malagasy.

COI # Nandray ny asany ny Sekretera Jeneraly, Edgard Razafindravahy

Tontosa ny alatsinainy 30 septambra lasa teo tany Maorisy ny fandraisam-pahefan'Andriamatoa Edgard Razafindravahy, Sekretera Jeneraly faha-10 ny Kaomisiaon'ny ranomasimbe Indiana (COI).Izy no Malagasy fahatelo mitazona izany andraikitra izany taorian' i tompokolahy Rasolondraibe Henri, izay Sekretera Jeneraly voalohany ny taona 1989, sy i Esoavelomandroso Monique Andréas, ny taona 2004.
Notsipihan'ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny hanamafisana ny fiaraha-mientan'ny firenena mikambana eo anivon’ny COI hiatrehana ireo fanamby sy ambana iraisana eto amin'ny faritra ranomasimbe indiana. Nasiany tsindrim-peo manokana ny tokony hanaovana laharam-pahamehana ao anatin'ny drafitr'asan'ny COI ny fahavitan-tena ara-tsakafo izay fanoitry ny fampandrosoana.

FMI # Mitohy ny fanohanana an'i Madagasikara

Noraisin'ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola, Rindra Rabarinirinarison, teny Antaninarenina, ireo delegasion'ny FMI, ny 30 septambra lasa teo. Nanotrona izany fivoriana izany ny Tale jeneralin'ny Hetra, Germain, sy ny Tale jeneralin'ny Fadintseranana, Ernest Lainkana. Niompana tamin'ny Fidiram-bolan'ny Fadintseranana sy avy amin'ny Hetra ny dinidinika.
Tsara ny mampahatsiahy fa tamin'ny volana jona teo dia nisitraka 337 tapitrisa dolara amerikana i Madagasikara, ao anatin'ilay Facilité élargie de crédit (FEC) . Mbola nisy 321 tapitrisa dolara amerikana ihany koa, noho ny Facilité pour la résilience et de durabilité (FRD).

JIRAMA # Mitohy ny famatsiana rano amin'ny Fiarabe

Mbola tsy tomombana ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Noho izany indrindra dia mitohy ny fitsinjarana rano amin'ireo bonbonne miloko manga. Nisitraka ny anjarany ny teny Tsarahasina Ambohimangakely, Antsahameva antsinana ary Ankatso 119 ny talata 1 oktobra lasa teo. Nisy ireo tompon'andraikitra nihaino ny fitarainan'ireo mponina teny amin'ny faritra notsidihina. Mangataka ny hitohizan'ny famatsian-drano hatrany ny rehetra.
Nanambara Ramatoa Talen'ny kabinetran'ny MEAH fa hojerena akaiky daholo ireo toerana mila vonjy, ary hisy ny fanatsarana ny fifandraisana amin'ireo vahoaka eny ifotony mba hahomby kokoa ny ezaka izay atao.

TVM # Nahazo studio sy fitaovana vaovao

Navaozina tanteraka ny studio ny vaovao an-tsarin'ny Televiziona Malagasy izay nisitraka fampitaovana hiaka farany ho fanatsarana hatrany ny fanomezam-baovao ho an'ny mpijery. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa mahomby tamin'ny Governemanta japoney tamin'ny alalan'ny JICA
Ny 30 septambra lasa teo no nanatanterahana ny lanonana fitokanana sy fanolorana ireo fotodrafitrasa vaovao. Ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no vahiny voalohany tao amin’izany vaovao an-tsarin'ny TVM amin’ny endriny vaovao izany. Nandritra izany no namaliany ireo fanontaniana momba ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny sy ireo vahaolana entin'ny Fitondram-panjakana hanatsarana ny toe-piainan'ny vahoaka.

Robotika # Nankasitrahana manokana ny ekipa Stem4Good

Ny alatsinainy 30 septambra lasa teo no notsenaina tamin'ny fomba makotrokotroka teny amin'ny Seranampiaramanidina Ivato ny ekipa Stem4Good. I Madagasikara mantsy no laharana voalohany tamin'ny ROBOTIQUE FIRST Global Challenge 2024, andiany faha-8, raha firenena 180 no nandray anjara. Tany Athènes, Grèce, no nanatanterahana ny lalao. Nanolotra vola 1 000 000 ariary sy fanomezana isankarazany ho an'ireo mpandresy moa ny Telma, amin'ny maha-mpanohana ny fanabeazana azy. Manana hoavy mamiratra tokoa ireo mpianatra malagasy misehatra amin'ny taranja siantifika raha ny vokatra azo.

Ady amin'ny valala # Mitohy ny ezaka ho an'ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana

Miezaka mamaha ny olana goavana izay mety misy fiantraikany amin’ny famokarana, toy ny valala, ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE). Ny valala tokoa mantsy dia mampitondra faisana ny fiarovana ara-tsakafo ny ankohonana maro eto Madagasikara. Nametraka Ivontoerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara (IFVM) ao Mitsinjo Betanimena, Toliara ny MINAE sy ny mpiara-miombon’antoka izay tafiditra ao anatin’ny drafitra stratejika mandritra ny efa-taona ho fanamafisana ny ady amin’ny Valala. Tanjona ny hanatsarana ny fiarovana ny voly sy hiantohana ny fambolena maharitra.

Ambohipo Sud # Misy olana ny famatsiana rano

Nidina ifotony tany amin'ny faritra Atsimo ny ekipan'ny Ministeran'ny Rano, nijery ny olan'ny famatsiana rano tao Ambohipo Sud. Ireo lavadrano roa na "forage", izay vao vita vao haingana, no nozahana. Hita àry fa nahitana lesoka ny fanadiovana ny rano mivoaka. Tsy teo intsony ireo takela mandeha amin’ny herin’ny masoandro misintona ny rano sy ny vavahady vy. Noho izany indrindra, nanatanteraka fanentanana ireo tompon'andraikitra ny amin'ny tokony hiarovana sy hanajan'ny vahoaka ny fanana iombonana, mba tsy haha-very maina ny ezaka atao.
Nilaza ny Minisitra fa hiverina amin’ireo orinasa nisahana ny fotodrafitra, hanarenan'izy ireo ireto lavadrano ireto, hanaraka ny kalitao tokony ho izy, ary ho azo ampiasaina haingana.

Ihorombe # Fitsidihana ireo mpivarotra trondro

Nidina ifotony ny avy ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Ihorombe ny faha 01 Oktobra 2024 tao amin'ny Fokontany Tanambao nijery ny tsena fivarotana trondro, Kaominina Ambonibohitra Ihosy, Distrikan'Ihosy, Faritra Ihorombe.
Nanentana sy nanazava amin'ny mpivarotra sy mpividy ny mikasika ny fikatonan'ny fanjonoana an-dranomamy aty amin'ny Faritra Ihorombe izay manomboka ny 15 Oktobra 2024 sy mifarana ny 15 Desambra 2024 izao. Samy voakasiky ny fikatonan'ny jono an-dranomamy avokoa na ny mpivarotra hazandrano lena na ny mpivarotra hazandrano maina.
Natao izao mba hiarovana ireo trondro manatody sy ireo zanatrondro foy ka hampiakatra indray ny vokatra hazandrano an-dranomamy ao amin'ny Faritra Ihorombe amin'ny fotoana fisokafan'ny jono.

Faritra Anosy # Fanokafana ny taom-pambolena 2024

Tontosa tao amin’ny Kaominina Betroka ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolena 2024 tao amin’ny Faritra Anôsy. Tantsaha mpamokatra miisa 200 no nisitraka ny tohana amin’ny seham-pihariana vary an-drano tamin’ny alalan’ny Tetikasa PURPA izay vatsian’ny Banky Afrikanina hoan’ny Fampandrosoana vola, ka masomboly 1800 kg, zezika NPK 3000 kg ary zezika biolojika milanja 15000 kg no nozaraina.
Fikambanana Mpamokatra miisa 08 kosa no nahazo tohana tamin’ny alalan’ny Tetikasa FANDROSO izay vatsian’ny Vondrona Eropeanina vola, ahitana mpahazo tombontsoa miisa 160 avy amin’ny Kaominina Kelivaho, Bekorobo, Analamary, Mahasoa Est, Ivahona, Ambalasoa. Ireto avy ny fitaovana nozaraina : Motoculteurs miisa 01, charrue 21, charrette 18, herses 03, arrosoirs 100, Pulvérisateur 08, Motopompes 02, masomboly vary 400 kg, Zezika biolojika 1900 kg, zezika urée 450 kg, ondry miisa 118.

Masoivohon'i Inde # Fetim-pirenena Gandhi Jayanti

Nankalazaina teny amin'ny Masoivohon'i Inde eto Madagasikara (Tsaralalàna) ny "Journée Internationale de la Non-violence" sy ny andro nahaterahan'Itompokolahy Mahatma Gandhi. Ny 2 oktobra lasa teo no nanatanterahana ny kanonana.
Masoivohon'i Inde Tsaralalana, Antananarivo, Faritra Analamanga : Fankalazana ny "Journée Internationale de la Non-violence" sy ny andro nahaterahan'Itompokolahy Mahatma Gandhi. Ity farany moa dia anisan'ny andry nametraka izany ady amin'ny herisetra izany sy nametraka ny fahaleovan-tena Indiana fony fahavelony. Izany indrindra no nanokanan'ireo Indiana ny 2 oktobra ho fetim-pirenena Gandhi Jayanti.



Lire la suite

Articles Similaires