• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Madajazzcar 2024 : Nanokafana ny hetsika ny fahatsiarovana manokana ireo mpiangaly jazz nindaosin’ny fahafatesana

04/10/2024 16:32 © Moov

Notanterahina tetsy amin’ny Havoria Anosy omaly hariva nanomboka tamin’ny 7 ora ny fanokafana ny Madajazzcar andiany faha-35. Niavaka ny hetsika raha oharina amin’ny teo aloha rehetra. Natao indrindra nahatsiarovana ireo « jazzmen » nindaosin’ny fahafetsana tamin’ity taona ity sy tamin’ny taon-dasa izany fanokafana izany.

Fahatsiarovana

Manan-karena olona mana-talenta isika eto Madagasikara, ao anatin’izany ny sehatry ny jazz. Hananantsika na ny lehilahy na ny vehivavy mpankafy sy mpiangaly izany. Izany indrindra no maha-zavadehibe ny fahatsiarovana ny kanto navelan’ireo izay nodimandry. Anisan’ny notsaroina tao anatin’ity fanokafana ity i Dede Rabeson, azo lazaina ho mpanjakan’ny fitsofana « saxophone ». Niaina izany fahatsiarovana azy izany ireo mpankafy tamin’ny alalan’ny seho notanterahin’i Datita Rabeson (Quartet), izay sady zanak’ity nodimandry tamin’ny fiandohan’ity taona ity. Nanakoako tao amin’ny Havoria nandritra izany fandraisany anjara izany ny fahaiza-manaony sy ny ekipany ary natao indrindra hanamarika ny fisian’izany Dédé Rabeson izany tamin’izany fotoana.

Hiara-hihira

Noentin’i Elsie sy ny tarika Sammy Andriamanoro trio tao an-toerana ihany koa ny hetsika « hiara-hihira », nandritra ny tapany faharoa. Nandritra izany indrindra no nahatsiarovana manokana an’i Rado Rakotorahalahy, mpamoron-kira, mpihira ary mpitendry amponga maro anaka izay maty tamin'ny taon-dasa. I Tahiry Andriamanoro, zanak’i Sammy Andriamanoro sady mpively amponga maro anaka an’i Trio kosa no nandray ny fihirana ho amin’ny fahatsiarovana ity mpanatalenta iray ity. Nafana ny sehatra ary niara-niverina namelombelona ny talentan’ireo mpanakanto ireo ny rehetra. Tetsy andaniny anefa dia anisan’ny nanafana ny lanonam-panokafana ihany koa ny feo mangan’i Elsie tao anatin’io tapany faharoa io. Nohirainy tamin’ny feo mahafinaratrany tamin’izany ny hira « exhale » an’i Whitney Houston. Teo ihany koa ny korana mangingina an’i Jean Freddy ary hira maro be an’i Andy Razaf.
Tsara ny mampatsiahy fa haharitra hatramin’ny 13 oktobra ny Madajazzcar ary hahaitana seho any Antsirabe, Toamasina ary Nosy Be. Anisan’ny hotsaroana ao anatin’izany ihany koa i Fanaiky Rasolomahatratra, « bassiste » sy i Serge Henri Rodin, mpikambana ao amin'ny komity mpikarakara. Samy nindaosin’ny fahafatesana vao haingana izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires