• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Linkedin
Image
Fahasalamana&Sakafo

Hampihena vatana : fantaro ireo sakafo maha mora noana mila fadiana

04/10/2024 14:39 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo olona mampihena vatana no efa manao fanatanjahantena sy miezaka mifehy tena amin’ny sakafo nefa mbola zara raha mahita vokatra. Isan’ireo antony manakana ny vatana tsy hiena ny tsy fahafantarana ny sakafo tsara hoanina sy ireo mila fadiana. Resahana eto ireo karazana sakafo maha mora noana ka tsara fadiana rehefa mampihena vatana.

Ny antony mahatonga ny sakafo sasany maha mora noana

Maro amintsika no mihevitra fa ny tsy fisian’ny sakafo anatin’ny vavony irery ihany no mahatonga ny hanoanana. Marihana nefa fa ny fiakaran’ny « glycémie » na ny tahan’ny siramamy anatin’ny rà ihany koa dia mitarika fahatsapana hanoanana. Arak’izany dia tokony voalanjalanja hatrany io « glycémie » io satria sady miantoka ny fahasalamana izany no misoroka ny hatavezana diso tafahoatra. Ny fihinanana sakafo mamy dia mampiakatra malaky be ny tahan’ny siramamy anaty rà ary mampidina izany haingana be ihany koa avy eo. Rehefa mitranga izany dia lasa mahatsapa noana be ilay olona.

Ireo karazana sakafo mitahiry siramamy amin’ny tahany ambony

Ireo karazana sakafo mitahiry siramamy amin’ny tahany ambony na atao hoe manana « index glycémique » avo matetika no mampikorontana ny tahan’ny siramamy anaty rà. Matetika izy ireo dia sakafo manankarena « glucides » na ireo sakafo voaodina.
Ny fihinanana azy ireny dia mety mampiakatra be ny « glycémie » avy eo mampidina ambany be tampoka izany. Raha izany no mitranga dia mahatsiaro noana foana ilay olona ka lasa tia mihinankinana sakafo na tsakitsaky eny antenantenam-potoana. Anisan’ireo sakafo avo ny « index glycémique » sy maha mora noana tsy tsara hoanina rehefa manena vatana ary ny :
-Ranom-boankazo nasiana siramamy ;
-Vary fotsy ;
-Pâtes ;
-Galettes de riz na galettes de maïs ;
-Voankazo nandrahoina natao compotes na tsy nasiana siramamy aza ;
-Lafarina.
Mba hisorohana ilay mora noana rehefa avy misakafo dia tsara raha soloina voankazo hoanina amin’izao, pains complets sy céréales tsy voaodina ireo karazana sakafo voalaza ireo. Ireto farany tokoa mantsy dia mampahatsiaro voky mandritra ny fotoana maharitra kokoa ka mety tsara ho an’ireo mampihena vatana.

Lire la suite

Articles Similaires