• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express.Fr
Image
Vaovao

Fitaterana : Fiara elektrika no ho ampiasaina amin’ny zotram-pitaterana eny amin’ny Rocade Iarivo sy By Pass

04/10/2024 14:53 © Moov

Mandeha ny dingana rehetra amin’ny fampiasana ny zotram-pitaterana Fitaratra na ireo zotra eny amin’ny Rocade Iarivo sy By Pass izany. Nanambara ny dingana atao amin’izany ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ka tamin’izany no nanazavana fa mety ho fiara elektrika no ho ampiasaina. Efa maro ny dinika ary hotohizana ny fanatrarana ny tanjona.

Voalohandohan’ny taona 2025

Ao anatin’ny dingana famolavolana ireo drafitra rehetra hahatongavana amin’ny fampaisana ireo zotra ireo izany ny tompon’andraikitra rehetra amin’izao fotoana izao. Raha ny vinavina hoy ny Minisitra, Ramonjavelo Valery, dia ao anatin’ny telo volana voalohany amin’ny taona 2025 no hanomboka ny fampiasana ireo zotra Fitaratra ireo. Mifanindran-dalana amin’izany, efa mandroso ihany koa ireo dingana samihafa hahafahana mampiasa ireo fiara vaovao ireo. « Maro ny antso sy tolobidy nataon’ny ministera ary hiandrasana ny fanapahan-kevitra hiraisana izany. Tanjona dia mba hahafahana miroso amin’ny fampidirana sy fampiasana ireo fiara mpitatitra amin’ny endrika sy fomba vaovao ireo », hoy hatrany ity Minisitra ity. Isan’ny vina amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny asam-pitaterana sy izay fanavaozana ny asam-pitaterana eto andrenivohitra izay ihany koa ny fampiasana ireo fiara ireo. Amin’ny maha zotra fitaratra ity hatomboka ity dia ho filamatra izy ary hotohizana amin’ny zotra hafa ny fampiasana ireo fiara fitaterana elektrika ireo aorian’izany.

Dingana hafa andrasana

Efa nisy ny dinika ary mitohy amin’izao fotoana izao ireo drafitrasa sy ny dingana rehetra na ara-tontolo iainana na ara-pitaovana. Ankoatra izany anefa dia efa misy ihany koa ireo dingana hafa mba hahafahana manokatra io zotra io amin’ny taona 2025. « Volana vitsivitsy sisa fa ezahina ho tratrarina ny tanjona. Ao anatin’ny dingana atao amin’izao ohatra ny fanatsarana ny lalàna mba hahafahan’ny tsirairay hahay hampiasa ireny lalambe ireny », hoy hatrany ny fanazavana. Marihina fa hiarahana miasa amin’ny fikambanana CODATU ny fampandehanana ity zotra Fitaratra ity. Araka izany dia mbola ho avy ihany koa ny fampiofanan’izy ireo ny mety ho mpitatitra amin’ireo zotra ireo. Etsy andaniny moa dia efa azo lazaina ho hita taratra eny amin’iny Rocade Iarivo iny amin’izao ny sombiny amin’ny momba ny fampiasana ny zotra.

Lire la suite

Articles Similaires