• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Famerenana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera : Natomboka ny asam-baomiera iombonan’i Madagasikara sy Frantsa

04/10/2024 10:13 © Moov.Mg

Natomboka omaly tany Frantsa ny asan’ny vaomiera manokana, ivondronan’ireo manam-pahaizana manokana, Malagasy sy Frantsay, hanapa-kevitra momba ny famerenana an-tanindrazana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Nitarika ny dinika ny minisitry ny Kolontsaina frantsay, Rachida Dati, sy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina malagasy, Mara Volamiranty Donna.

Efa ela no niandrasan’ny vahoaka malagasy ny tohin’ireo dinika efa natao tany aloha, momba ny famerenana ny karandohan’ireo Sakalava miisa 3, izay notapahan-doha tamin’ny taona 1897, nandritra ny fanjanahantany. Heverina fa karan-dohan’ny Ampanjaka Sakalava Toera ny iray amin’ireo ary an’ny miaramilany ny roa. Voatahiry ao amin’ny Muséum d’histoire naturelle, any Parisy, ireo karandoha ireo ankehitriny.

Kômity siantifika

Tafapetraka omaly alakamisy 3 ôktôbra 2024, ny kômity siantifika iarahan’ny firenena malagasy sy frantsay, izay handrafitra ireo fepetra rehetra amin’ny famerenana ireo kabeso ireo eto Madagasikara, tanindrazany. Mpahay tantara, manam-pahaizana manokana momba ny fitahirizam-bakoka, manam-pahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena, mpahay lalàna… no isan’ny mandrafitra ity vaomiera manokana ity. Mandray anjara amin’ny dinika sy ny adihevitra ihany koa ireo taranaky ny Ampanjaka Toera. Rehefa vita ny asam-baomiera dia hamoaka fehin-kevitra ity kômity ity, izay hotaterina amin’ny minisitry ny Kolontsaina frantsay. Izy indray no hamoaka ny fanapahan-kevitra momba ny famerenana ireo kabeso eto Madagasikara. Hatreto aloha dia mbola tsy misy ny daty mazava napetraka, momba izany tohiny rehetra izany.


Hitondra fitoniana

Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny lalàna momba ny famerenana an-tanindrazana ireo taolam-balo tahirizina any Frantsa, izay nolanian’ny parlemantera frantsay tamin’ny volana desambra 2023, ity dingana notanterahina omaly ity. Izany no natao dia mba hitondra fitoniana eo amin’ny fahatsiarovana iraisan’i Frantsa sy ireo firenena afrikanina mpiara-miombona antoka aminy, hoy ny minisitra Rachida Dati. Mialoha izao moa dia efa nisy ny fitiliana ny tarazo (ADN), teo amin’ireo taolam-balo Sakalava, tamin’ny taona 2018, saingy tsy afaka tena nanamarina tanteraka ny momba ireo taolambalo izany, noho ny haratsin’ny kalitaon’ireo singa nanatanterahana ny fitiliana. Na izany aza, manan-danja lehibe ho a’ny Malagasy, indrindra ho an’ny vahoaka Sakalava, ny fiverenan’ireo kabeso. Amin’ireo Ampanjaka 12 efa nodimandry, izay andrianin’ity foko ity mantsy, dia ny Ampanjaka Toera ihany no tsy voatahiry ao amin’ny Zomba ny karandohany sy ny valanoranony.


Copyright Image : © MSK

Fifanaraham-piaraha-miasa

Taorian’ny famerenan’i Frantsa ny satroboninahitry ny tatarom-piandrianan'ny Mpanjaka Ranavalona III, dia ity famerenana ny kabeson’ny ampanjaka toera ity no isan’ny fomba iray manaraka, irian’i Frantsa hampitoniana ny ratra navelan’ny fanjanahantany, izay mbola maharary ny Malagasy maro.

Mialoha ny nanokafana ny asan’ny kômity iombona’i Madagasikara sy i Frantsa dia nisy ny dinik’asa manokana niarahan'ny minisitra roa tonta, momba ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny lafiny ara-kolontsaina eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa, narahana fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa. Miompana indrindra amin'ny fikajiana ny harembakoka sy ny fampiroboroboana ny mozea izany fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta izany.



Lire la suite

Articles Similaires