• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana glace à la fraise

03/10/2024 16:34 © Moov.Mg

Rehefa mafana toy izao ny andro ny glace matetika no zavatra tsarotsaroan’ny vavantsika. Efa maro ireo fomba fanaovana glace efa nentina tamintsika. Ny atoro eto indray dia ny fanaovana glace à la fraise mampiasa sorbetière. Mora atao ary tsy mila akora be loatra. Araho ary.

Ireo zavatra ilaina raha hanao glace à la fraise

-Frezy 500g ;
-Siramamy 250g ;
-Ronono 250ml ;
-Ranona voasary makirana 1 sotrokely ;
-Crème fraîche 250ml.

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Sasana tsara ny frezy. Atao anaty saladier ary arotsaka ao any siramamy sy ny ranona voasary makirana. Afangaro tsara ary avela hipetraka kely mandritra ny 20 minitra eo ho eo mba hitera-drano.
Rehefa izay dia arotsaka anaty mixeur ny frezy ary potserina ao mandrapa-potika tsara azy.
Arotsaka ao ny ronono efa masaka sy mangatsiaka ary ny crème fraîche. Averina potserina anaty mixeur izy rehetra mba hitambatra tsara.
Afindra anaty saladier dia ampidirina anaty vata fampangatsiahana mandritra ny ora 1.
Rehefa tapitra ny adiny 1 dia arotsaka anaty sorbetière ny fangaro. Ahodina ao mandritra ny 20 hatramin’ny 30 minitra mba ahazoana glace à la fraise matevina tsara.
Rehefa vita dia afindra anaty boaty misy sarony ny glace à la fraise ary ampidirina anaty vata fampangatsiahana mandritra ny adiny 2 farafahakeliny.

Lire la suite

Articles Similaires